Horonam-bokin' i Abrahama

Avy amin'i Wikipedia

Ny Horonam-bokin' i Abrahama na Takelak' i Abrahama dia ampahany amin' ny lahatsoratra ara-pivavahan' ny finoana silamo. Ireo soratra ireo dia inoan' ny Mozilmana fa mirakitra ny fanambaràna azon' i Abrahama avy amin' ny Andriamanitry ny fivavahana abrahamika, izay nosoratany sy ny mpitan-tsoratra sy mpanara-dia azy. Atao hoe صحف إبراهيم, Ṣuḥuf ʾIbrāhīm na صُحُفِ إِبْرَاهِيم / Ṣuḥufi ʾIbrāhīm na الصُّحُفِ ٱلْأُولَىٰ / Aṣ-Ṣuḥufi 'l-Ūlā ("Bokin' ny Fanambaràna Voalohany") io boky io amin' ny teny arabo. Ireo lahatsoratra ireo dia resahin' ny Kor'any ao amin' ny sorata 53 ao amin' ny andininy 36-37, sy ny sorata 87 ao amin' ny andininy 18-19.

Amin' i Lory dia tsy azo atao ny "mahafantatra tsara ny toetoetran' ireo asasoratra ireo". Mifanohitra amin' izany kosa, amin' i Gobillot, izany dia manondro lahatsoratra apôkrifan' ny Testamenta Taloha. Noho izany, araka ny filazan' izy ireo, ireo filazana roa ao amin' ny Kor'any ireo dia mampahatsiahy ny Testamentan' i Abrahama, lahatsoratra tamin' ny taona 70 tal. J.K. any ho any ho an' ny endrika fohy fa nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. kosa ho an' ny endrika lava.

Toy izany koa, mino izy ireo fa ny sorata 20:133 dia mampifandray amin' ireo horonan-tsoratra ireo amin' ny lahatsoratra apôkrifa hafa, dia ny Apôkalipsin' i Abrahama, izay nosoratana tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Ity apôkalipsy ity dia ampiasaina amin' ny firesahana ny fiakarana any an-danitra, izay lazain' ny Sonà fa hihatra amin' i Mohamady, fa ny "famakafakana mitohy" iray dia mampifandray azy ireo bebe kokoa amin' i Abrahama. Ho an' i Gobillot, izany dia manaporofo ny fisian' ireo lahatsoratra ireo ao anatin' ny tontolo manodidina ny fanoratana ny Kor'any.

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny sorata roa ao amin' ny Kor'any, izay nosoratana tamin' ny vanim-potoanana mekana voalohany, dia misy firesahana ny amin' ny "takelaka, horonam-boky, diary" (suhuf) an' i Abrahama (sy ny Horonam-bokin' i Mosesy), izay inoan' ny Mozilmana fa nandraiketana soratra avy amin' ny tsindrimandrin' Andriamanitra. Ireo andalan-tsoratra ireo dia milaza fa ny fahamarinan' ny hafatr' Andriamanitra dia hita ao amin' ny fanambaràna taloha indrindra azon' i Abrahama sy i Mosesy. Na dia atao amin' ny amin' ny ankapobeny hoe "horonam-boky" aza ny teny hoe hoe suhuf dia maro ny mpandika teny - anisan' izany i Abdullah Yusuf Ali sy i Marmaduke Pickthall - izay nandika ilay andininy amin' ny hoe "Ny Bokin' i Abrahama sy i Mosesy".

Firesahana ao amin 'ny Kor'any[hanova | hanova ny fango]

Ny Kor'any dia manondro Horonam-bokin' i Abrahama, izay adika indraindray hoe Bokin' i Abrahama. Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana mozilmana dia nanaiky fa tsy misy sisa izany Horonam-bokin' i Abrahama izany amin' izao fotoana izao, koa noho izany dia ilazana lahatsoratra very izany. Na izany aza, ilay Jordaniana manam-pahaizana sady mpampianatra filôzôfia atao hoe Ghazi bin Muhammad dia milaza fa ny hafatry ny "Horonam-bokin' i Abrahama" dia voalaza ao amin' ny Kor'any. Anisan' izany:

  1. ny finoana an’Andriamanitra iray;
  2. ny finoana ny fiainana any ankoatra (sy ny fitsarana);
  3. ny vavaka sy fahatsiarovana an' Andriamanitra;
  4. ary ny fanadiovana ny fanahy amin' ny ego sy ny ratsy (ary noho izany ny hatsaran-toetra).

Ny Horonam-bokin' i Abrahama dia heverin' ny Mozilmana ho manondro ny fanambaràna azon' i Abrahama, izay nampitainy tamin' ny alalan' ny fanoratana.

Ny toko sorata faha-87 ao amin' ny Kor'any, ny sorata Al-Ala, dia mamarana ny filazana fa ny lohahevitry ilay sorata dia ao amin' ny soratr' i Abrahama sy Mosesy taloha. Izy io dia manondro amin' ny fomba kely ny zavatra tao amin' ny lahatsoratra teo aloha, araka ny finoana silamo. ( Kor'any 87:9-19). Ny sorata faha-53 ao amin' ny Kor'any, ny sorata An-Najm, dia miresaka lohahevitra hafa momba ny soratr' i Abrahama sy i Mosesy taloha (Kor'any 53:36-62).

Fanondroana[hanova | hanova ny fango]

Misy manam-pahaizana milaza fa ny Horonam-bokin' i Abrahama no ilazana ny Sefer Yetzirah, satria ny tovana (vi. 15) sy ny lovantsofina jiosy dia mazàna milaza fa i Abrahama no nandray ny fanambàrana raketina ao aminy. Misy manam-pahaizana hafa anefa milaza fa izy io dia manondro ny Testamentan' i Abrahama, izay mbola nisy koa tamin' ny andron' i Mohamady.

Ny Kor'any dia ahitana firesahana maro momba an' i Abrahama, ny fiainany, ny vavaka nataony ary ny fomba amam-panaony ary misy soràta voatokana antsoina hoe Ibrahim (soràta faha-14). Amin' ny fanamarihana mifandraika amin' izany, ny sorata Al-Kahf (faha-18) dia nambara mba ho valiny avy amin' Andriamanitra ho an' ny Jiosy izay nanontany an' i Mohamady momba ny zava-nitranga taloha. Eto Andriamanitra dia nanome toromarika mivantana an' i Mohamady ao amin' ny sorata Al-Kahf (18:22), mba tsy hifampidinika amin' ny Jiosy ny amin' ny fanamarinana ny tantara telo izay nanontaniany.

... Koa aza miditra amin' ny fifandirana momba azy ireo, afa-tsy amin' ny raharaha mazava, ary aza midinika na amin' ny iray amin' izy ireo momba ny (raharahan') ireo Mpatory. —  Kor'any 18:22

Ny antony nanambaràn' Andriamanitra ny tenany dia ny fitantarana izay tokony hohamarinina ao amin' ny andininy hafa ao amin' ny sorata Al-Kahf (18:13).

Lazainay aminao araka ny marina ny tantaran' izy ireo: tanora nino ny Tompony izy ireo, ary nampivoatra azy ireo tamin' ny fitarihana izahay:  —  Kor'any 18:22

Mikasika ny fifampidinihana amin' ny Olon' ny Boky, dia notantarain' i Abu Hureyrah ihany koa ao amin' ny literatiora hadita izany:

Ny Olon' ny Soratra Masina (Jiosy) dia namaky ny Torah tamin' ny teny hebreo ary nanazava izany tamin' ny teny arabo amin' ny Mozilmana. Tamin' izany no nilazan' ny Apôstôlin' i Allah hoe: "Aza mino ny Olon' ny Soratra Masina na tsy mino azy ireo, fa lazao hoe: "Mino an' i Allah sy izay nambara taminay izahay" ". —  Sahih al-Bukhari, Boky faha-6, hasina faha-60, Hadita 12

Noho izany, amin' io fomba fijery io, ny Mozilmana dia tsy voatery hanondro ny Sefer Yetzirah, na dia fantatra amin' ny anarana hoe "Horonam-bokin' i Abrahama" aza izany. Ankoatra izany, ny teôlôjia mozilmana dia manaiky ny Torah (izay ataony hoe Tawrat) tany am-boalohany izay nambara tamin' i Mosesy (Musa) na ny Salamo voalohany (Zabur) izay nambara tamin' i Davida (Dawud), ary koa ny Evanjely voalohany (Injil) izay nambara tamin' i Jesosy na Jesoa (Isa).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]