Apôkalipsin' i Abrahama

Avy amin'i Wikipedia

Ny Apôkalipsin' i Abrahama dia asasoratra jiosy apôkaliptika pseodepigrafa (tsy fantatra mazava ny maha mpanoratra azy), apôkrifan' ny Testamenta Taloha, miorina amin' ny fitantarana momba an' i Abrahama ao amin' ny Baiboly. Azo inoana fa nosoratana tamin’ ny taonjato voalohany na faharoa izy io, teo anelanelan' ny taona 70–150 taor. J.K. Tsy raisin' ny Jiosy sy ny Kristiana ho soratra masina izy io, fa soratra masina kosa ho an' ny sektan' ny Bôgômila izay efa tsy misy intsony. Mizara roa miavaka tsara izy io. Ny voalohany dia ny karazan-dahatsoratra midrasika. Ny faharoa ihany no karazan-dahatsoratra apôkaliptika amin' ny heviny mifintina. Voatahiry amin’ ny teny slava (fiteny slavônika taloha) sy romaniana ilay lahatsoratra, ary azo inoana fa nadika avy amin’ ny fiteny grika miorina amin’ ny lahatsoratra semitika manam-piaviana jiosy. Ny tany am-boalohany dia mety noforonina tao amin' ny fikambanan' ny Eseniana.