Fiteny slavônika tranainy

Avy amin'i Wikipedia
Sora-tanana amin' ny teny slavônika tranainy

Ny fiteny slavônika tranainy na fiteny slava tranainy na fiteny slavônikam-piangonana tranainy no fiteny slava voalohany nanaovana asasoratra.

Milaza ny mpahay tantara fa ny misiônera bizantina tamin' ny taonjato faha-9, i Masindahy Kirily sy Metôdio no nampanara-penitra ilay fiteny sy nanao ny asa fandikana ny Filazantsara sy ny boky litorjika maro ilaina amin' izany fiteny izany ka anisan' ny nampiovana finoana ny Slava ho kristiana. Heverina fa nifototra voalohany indrindra amin' ny fitenim-paritra nampiasain' ny Slava bizantinan' ny taonjato faha-9 nonina ao amin' ny Faritanin' i Tesalônika (any Grisia ankehitriny).

Ny fiteny slavônika tranainy dia nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantaran' ny fiteny slava ary natao fototra sy môdely ho an' ny fiteny slavônikam-piangonana vaovao taty aoriana, ary ny sasany amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana sy Eglizy katôlika tatsinanana dia mampiasa io fiteny slavônika io taty aoriana ho fiteny litorjika mandraka androany.

Amin' ny maha fiteny slava tranainy indrindra voaporofo fisiana azy, ny fiteny slavônika tranainy dia manome porofo manan-danja momba ny toetoetran' ny fiteny prôtô-slava, izay razamben' ny fiteny slava rehetra.