Olon' ny Boky

Avy amin'i Wikipedia

Ny Olon' ny Boky, amin' ny silamo, dia ny mpanaraka ny fivavahana heverin' ny Mozilmana ho notarihin' ny fanambaràn' Andriamanitra teo aloha nambara tamin' ny mpaminany sy nampianariny, amin' ny endrika soratra masina, amin' ny ankapobeny. Ao amin' ny Kor'any izy ireo dia ny Jiosy (anisany ny Karaita), ny Kristiana, ny Sabeana (na Sabiana, izay heverina fa ny Mandeana), ary - araka ny fivoasana sasany - ny Zôrôastriana (izay manana ny Avesta ho soratra masina). Nanomboka tamin' ny taonjato faha-8 dia nisy Mozilmana sasany koa nanaiky antokom-pivavahana hafa toy ny Samaritana, ary hatramin' ny Bodista sy ny Hindoa ary ny Jaina, ho Olon' ny Boky. Amin' ny teny arabo izy ireo dia atao hoe أهل الكتاب / Ahl al-kitāb.

Ara-tantara, ireo fivavahana eken' ny Mozilmana ho Olon' ny Boky dia niharan' ny sata fantatra amin' ny anarana hoe ذمي / dhimmi ("fiarovana"), izany hoe navela hanana ny finoany manokana sy hitantana ny vondrom-piarahamonina misy azy araka ny fitsipika amam-penitr' izy ireo, ho tambin' ny fandoavana hetra manokana atao hoe جِزْيَة / jizya.

Ny Kor'any dia mampiasa io teny io amin' ny toe-javatra isan-karazany, hatramin' ny adihevitra ara-pivavahana ka hatramin' ny andalan-teny manantitrantitra ny fiombonan' ny finoana eo amin' ireo izay manana soratra masina mitory ny mônôteisma.

Ao amin' ny lalàna silamo, ny lehilahy mozilmana dia afaka manambady vehivavy anisan' ny Olon' ny Boky; ny vehivavy mozilmana anefa dia tsy mahazo manambady lehilahy anisan' ny Olon' ny Boky. Raha ny fanambadiana mozilmana-kristiana, izay tsy maintsy atao aorian' ny fanomezan-dalana avy amin' ny ankolafy kristiana, dia tsy tokony hosakanana tsy handeha am-piangonana hivavaka sy hanao fanompoam-pivavahana ny vehivavy kristiana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]