Jainisma

Avy amin'i Wikipedia
Famantaran' ny jainisma

Ny jainisma na darma jaina ny jinisma dia fivavahana izay mampianatra fa ny tanjon' ny fiainana dia mitovy ho an' ny hindoisma sy ny bodisma ary ny sikisma. Ny mpanaraka io fivavahana io dia tokony hanao tanjona ny fahatratrarana ny fihazavana ara-panahy izay mitarika amin' ny fitsaharan' ny fifindran' ny fanahin' ny zavamananaina iray amin' ny zavamananaina iray hafa (samsara), atao hoe môska na nirvana. Mandala ny fisainanana tsy misy herisetra (ahimsa) ny jainisma. Amin' ny jainisma dia mifampiakina ny fiainana rehetra ka tokony hifanampy. Fanao ao amin' ny jainisma ny fandinihan-tena sy ny fifadian-kanina. Ny jainisma dia mety nipoitra tamin' ny taonjato faha-10 na faha-11 tal. J.K. Misy mpino mmiisa any amin' ny 10 tapitrisa maneran-tany, ka ny ankamaroany dia ao India, ny 30 000 any Eorôpa ary ny 100 000 any Etazonia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]