Sabeisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny sabeisma dia fivavahana jodeô-kristiana izay tsy dia fantatra loatra raha tsy amin' ny fomba tsy mivantana tamin' ny alalanan' ny Kor'any izay miantso ny mpanaraka azy hoe hoe الصابئة‎ / al-Ṣābiʼah "Sabeana"'. Voatonona intelo ao amin' ny Kor'any miaraka amin' ny mpanaraka ny fivavahan' ny Boky roa sisa io anarana io, ao amin' ny fitenenana sahala amin' ny hoe "ny Jiosy sy ny Sabeana ary ny Nazareana".

Hita koa ao amin' ny hadita ny anaran' ny Sabeana, izay tsy misy afa-tsy ireo niova fo ho amin' ny finoana silamo, raha iadian-kevitra sy anaovana fanadihadiana ny maha-izy azy ao amin' ny literatiora islamika taty aoriana (taonjato faha-10).