Nazareana (anarana)

Avy amin'i Wikipedia

Maro ny vondron' olona antsoina amin' ny anarana hoe Nazareana na Nazôreana na Nazarena.

Ny Kristiana teo anatrehan' ny Jiosy[hanova | hanova ny fango]

Niantsoana ireo mpianatr' i Jesoa ny hoe Nazôreana na Nazareana na Nazarena sady niantsoana an' i Jesoa tenany, noho izy nandany ny fahazazany tao Nazareta. Nantsoin' ny Jiosy tamin' io anarana io ihany koa ny Kristiana voalohany.

Sekta jodeô-kristiana[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana dia niantsoana antoko na sekta jodeô-kristiana niaina tamin' ny taonjato faha-4 izay nitandrina fatratra ny Lalàn' i Mosesy sy nino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ny anarana hoe Nazareana na Nazôreana. Tsy nanaiky an' ireo epistilin' i Paoly izay mampianatra ny tsy tokony hitandremana ny Lalàna jiosy izy ireo.

Ny Mandeana[hanova | hanova ny fango]

Mety manondro ny mpanaraka ny mandeisma izay sekta gnôstika nanandratra an' i Joany Batista nefa nanambany an' i Jesoa izay heveriny ho mpaminany sandoka koa ny hoe Nazareana na Nazôreana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]