Nazôreana

Avy amin'i Wikipedia

Ny anarana hoe Nazôreana na Nazareana na Nazarena dia manondro vondrona ara-pivavahana jiosy kristiana samihafa.

Nazôreana tamin' ny taonjato voalohany[hanova | hanova ny fango]

Ny Nazôreana na Nazareana dia vondrona ara-pivavanana jodeô-kristiana tsy dia fantatra loatra, izay fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany. Ity vondrona ity dia manaiky an' i Jesoa ho Mesia nefa manaja ny lalàm-pivavahan' ny Jiosy. Tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa anefa izy ireo. Atao hoe Ναζωραῖος / Nazôraios izy ireo amin' ny teny grika fa נוצרים / Notzrim amin' ny teny hebreo.

Nazôreana tamin' ny taonjato fahefatra[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana dia niantsoana antoko na sekta jodeô-kristiana niaina tamin' ny taonjato faha-4 izay nitandrina fatratra ny Lalàn' i Mosesy sy nino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ny anarana hoe Nazareana na Nazôreana. Tsy nanaiky ny Epistilin' i Paoly izay mampianatra ny tsy tokony hitandremana ny Lalàna jiosy izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antoko sy firehana matanjaka tao amin' ny jodaisma

Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma

Samihafa