Elkasaita
Ny Elkasaita na Elkesaita na Helkasaita na Elkesaiana dia ireo tao amin' ny fikambanana ara-pivavahana jodeô-kristiana batista sinkretika manam-pirehana gnôstika, izay sady anisan' ny jodaisma amin' ny ankapobeny amin' ny lafiny sasany, no anisan' ny jodaisma nazôreana. Io anarana io dia avy amin' ny anaran' ilay olona heverina fa namorona azy atao amin' ny teny grika hoe Ἠλχασαΐ / Elkhasai na Ἠλξαί / Elksai na Ελκεσαΐ / Elkesai.
Nipoitra tao amin' ny faritr' i Transjordania ny Elkesaita, izay niasa teo anelanelan' ny taona 100 sy 400 taor. J.K. Nanao batisa imbetsaka ho fanadiovana ny mpikambana tao aminy io sekta io. Araka ny voalazan' i Joseph Lightfoot, dia toa nanavaka ny antokon' olona lehibe roa tao amin' ny Eseniana, ilay Rain' ny Fiangonana atao hoe Epifaniôsy (nanoratra tamin’ ny taonjato faha-4 taor J.K.), dia ny Ôseana sy ny Nasareana izany.
Toa hetsiky ny Kristiana manam-piaviana jiosy nipoitra tamin' ny taonjato faha-2 ary nanjavona taorian' ny taonjato faha-10, tamin' ny daty tsy voafaritra, ny elkasaisma. Iadian-kevitra eo amin' ny fikarohana ny niaviany. Voaporofo fisiana voalohany tany Mezôpôtamia Avaratra, izay toa nipoirany tany amin' ny fiandohan'ny taonjato faha-2, ity hetsika ity.
Niteraka ny manikeisma ny elkasaisma. Nobeazina tao Mesena (eo amoron' i Shatt-el-Arab) tao amin' ny vondrom-piarahamonina batista izay angamba elkasaita, i Mani izay mpanorina ny manikeisma. Toa nisy fiantraikany teo amin' ny finoana silamo koa ny hetsika elkasaita, izay angamba nipoitra avy aminy amin' ny ampahany. Mety ho mpandova azy ny Sabeana resahina ao amin' ny Kor'any. Toa nitambatra tao amin' ny silamo tamin' ny fiandohany ny ankamaroan' ny mpikambana tao aminy, na dia misy vondrona vitsivitsy amin' ity hetsika ity aza mbola nisy hatramin' ny taonjato faha-10 ao amin' ny Tontolo Silamo.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Antoko sy firehana matanjaka tao amin' ny jodaisma
[hanova | hanova ny fango]- Sadoseo na Sadoseanina
- Fariseo na Farizianina
- Eseniana
- Filôzôfia Fahefatra