Kristianisma Tandrefana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Kristianisma Tandrefana dia ny fitambaran'ny Fiangonana katolika sy ireo Fiangonana Protestanta ao amin'ny tapany andrefan'ny Kontinentan'i Eoropa sy ny Kontinentan'i Amerika ary i Afrika ka hatrany Aostralia. Nanomboka tamin'ny nielezan'ny fivavahana kristiana taorian'ny taonjato faha-16 taty Afrika sy tany Oseania dia tsy tena voafaritra ara-jeografia ny hoe "Kristianisma Tandrefana" fa ara-pirehan-kevitra na ara-teolojia sy araka ny fiavian'ny sampan'ny kristianisma arahin'ny fiangonana resahina.

Tsy mitovy ny fiheveran'ny Kristiana Tatsinanana sy Tandrefana ny amin'ny fahotana lovana sy ny amin'ny fivoahan'ny Fanahy masina ary ny fotoam-pankalazana ny Paska. Tsy mitovy koa ny tetiandro ampiasaina satria ny Tandrefana mampiasa ny tetiandro joliana fa ny Tatsinanana kosa mampiasa ny tetiandro gregoriana. Tsy mitovy koa ny fotoana ankalazana ny Noely. Ny Kristiana Tandrefana no mitana ny laharana voalohany raha ny habetsahany no jerena satria mahatratra 90% n'ny isan'ny Kristiana maneran-tany.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]