Ziôna

Avy amin'i Wikipedia
Ny Tendrombohitra Ziôna

I Ziôna na Siôna na Tsiôna dia iray amin' ireo havoana ao Jerosalema, ao atsimo-atsinanan' i Jerosalema tanàna taloha. Ny anarana hoe Ziôna na Siôna dia matetika anarana am-panoharana omena an' i Jerosalema. Atao hoe הר צִיּוֹן / Har Tsiyyon izy amin' ny teny hebreo fa جبل صهيون / Jabal Sahyoun kosa amin' ny teny arabo.