Arameana
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny Arameana na Aramiana dia vahoaka niaina tao Atsinanana Akaiky tamin'ny Andro Taloha izay nonina tamin'ireo faritr'i Siria sy Mesopotamia tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. Maro ireo fanjakana arameana madinika izay nandroso tamin'ny taonjato faha-11 hatramin'ny faha-10 tal. J.K. nandritra ny fiandohan'ny Andron'ny Vy. Tsy mba nanana kolontsaina na fanjakana miray anefa ny Arameana. Teo an-tenantenan'ny taonarivo voalohany tal. J.K. izy ireo dia lasa maro an'isa tao amin'ny mponin'i Asiria sy i Babilonia ka nahatonga ny fiteny arameana hiely manerana ny faritra Atsinanana Akaiky tamin'ny Andro Taloha.