Tenim-pinoana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tenim-pinoana na dôgma (soratana koa hoe dogma) dia petra-kevitra tsy azo iverenana hamboarina indray momba ny foto-pampianaram-pinoana izay ambara fa fahamarinana tsy azo ovana momba ny finoana.

Ny tenim-pinoana dia mety ho vokatry ny fanambaràn'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina na avy amin'ny lovam-pinoana (na lovantsofina) sady ambaranan'ny fahefam-piangonana tsy azo lavina. Amin'ny ankapobeny dia tamin'ireo fifandirana momba ny fampianaram-pinoana no nandraiketana ny ankamaroan'ny tenim-pinoana ka nenti-nanorina ny atao hoe "fampianarana marina" (na "ortodoksia") sady nanoherana ireo atao hoe "fampianaran-diso" (na "herezia").

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]