Fijalian' i Jesoa

Avy amin'i Wikipedia
Jesoa tao Getsemane

Ny fijalian' i Jesoa na fijalian' i Kristy dia vanim-potoana fohy farany talohan' ny nahafatesan' i Jesoa Kristy, voalaza ao amin' ireo filazantsara kanônika efatra. Ankalazain' ny Kristiana isan-taona izany mandritra ny Herinandro Masina.

Ny “Fijalian' i Jesoa” dia mety ahitana, ankoatry ny fisehoan-javatra hafa, ny fidiran’ i Jesoa tamim-pandresena tao Jerosalema, ny nanadiovany ny Tempoly, ny fanosorana azy, ny Fanasana Farany, ny fijaliany tao Getsemane, ny fisamborana azy, ny fitsarana azy teo anatrehan’ ny Sinedriôna sy teo anatrehan’ i Pilato, ny nanomboana azy tamin’ ny hazo fijaliana sy ny fahafatesany, ary ny fandevenana azy.

Ny ampahany amin' ireo filazantsara kanônika efatra izay mitantara ireo fisehoan-javatra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe "Fitantarana ny fijalian' i Kristy". Ao amin' ny fiangonana kristianina sasany, ny fahatsiarovana ny fijalian' i Kristy dia ahitana koa ny fahatsiarovana ny alahelon' i Maria renin' i Jesoa, amin' ny Zoman' ny falahalovana.