Hazo fijaliana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Hazofijaliana latina

Ny hazo fijaliana na hazofijaliana na lakroà dia eva amantarana ny fivavahana kristiana amin' ny ankapobeny. Heverina ho endriky ny fitaovana nanomboana an'i Kristy ny hazo fijaliana mitanam-bokovoko.

Tamin' ny taonjato faha-4 no lasa eva sy famantarana ny fivavahana kristiana ny hazo fijaliana mitanam-bokovoko, izay noraisin' ny emperona Konstantino Lehibe, araka ny lovantsofina, amin' ny endrika krisma (). Tamin' izany vanimpotoana izany sy taorian' ny nahitan' ny renin' ny emperora ny relikan' ny "Hazofijaliana Marina" (heverina fa ilay nanomboana an' i Kristy), araka ny lovantsofina, no nanombohan' ny fivavahana amin' ny hazofijaliana. Nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nanomboka nanaingo ny trano fivavahana io famantarana io. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 dia tafaraka matetika amin' ny sary fanehoana an' i Kristy ny hazo fijaliana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]