Hankany amin'ny vontoatiny

Fanomboana an' i Jesoa

Avy amin'i Wikipedia
Kalvary, sary nataon' i Paolo Veronese tamin' ny taonjato faha-16.

Ny fanomboana an' i Jesoa tamin' ny hazo fijaliana, araka ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana sy ny loharano hafa, dia endriky ny fanamelohana an' i Jesoa na Jesosy (ilay ataon' ny Kristiana ho Kristy) izay nofantsihina mihantona amin' ny hazo fijaliana, araka ny fitsarana nataon' i Pôntio Pilato (taona 26 -- 36) azy noho ny fiampangan' ny Jiosy (na Jody) azy ho niteny ratsy an' Andriamanitra. Ampahany manan-danja amin' ny fitantarana ny Fijalian' i Jesoa (na Fiaretana na Pasiona) ny hasin-dahatsoratra (na perikôpa) momba ny fisamborana sy ny fitsarana azy sy ny filanjany ny hazo fijaliana ary ny fanomboana azy.

Zoma no andro heverin' ny maro ho nanaovana izany fanomboana izany, ny faha-14 amin' ny volana Nisana (araka ny fandikana ny voalaza ao amin' ny Evanjely nosoratan' i Joany) na ny faha-15 (araka ny fandikana ny voalaza ao amin' ny filazantsara sinôptika), sady nisy fanakonam-bolana tamin' izany fotoana izany; araka ny voalazan' ny mpahay kintana Jean-Paul Parisot, dia mifanandrify amin' ny Zoma 3 Avrily taona 33 izany daty izany. Voarakitra ao amin' ny filazantsara kanônika ny teny fito nolazain' i Jesoa teo amin' ny hazo fijaliana.

Anisan' ny fototry ny fivavahana kristiana ny andalan-dahatsoratra momba ny fanomboana an' i Jesoa amin' ny hazo fijaliana mankamin' ny fitsanganany amin' ny maty.

Fitantarana araka ny Testamenta Vaovao

[hanova | hanova ny fango]
Ny fananganana ny hazo fijaliana, sary nataon' i Sebastiano Mazzoni, taonjato faha-17

I Paoly no loharano tranainy indrindra mbola ananana izay mirakitra an-tsoratra ny nanomboana an' i Jesoa tamin' ny hazo fijaliana. Nampiasa ny filaharam-potoana nasehon' i Paoly ny manampahaizana mba hamaritana ny daty nanaovana izany fanomboana izany. Na izany aza, ao amin' ny filazantsara kanônika efatra no ahitana ny fitantarana amin' ny antsipiriany voalohany indrindra momba ny nahafatesan' i Jesoa. Ao amin' ny filazantsara sinôptika, dia manambara mialoha ny hahafatesany i Jesoa amin' ny fotoana telo samihafa. Ny fitantarana efatra ao amin' ny Filazantsara dia samy mifarana amin' ny fitantarana amin' ny antsipiriany momba ny fisamborana an' i Jesoa, ny fitsarana azy voalohany teo anatrehan' ny Sanedrina (na Sinedriona) sy ny fitsarana azy farany teo anatrehan' i Pilato; tamin' izany no nikapohana an' i Jesoa sy nanamelohana azy ho faty, ary nitondrana azy ho any amin' ny toerana hanomboana azy amin' ny hazo fijaliana, izay nitondrany ny hazo fijaliany tamin' ny voalohany talohan' ny naneren' ny miaramila rômana an' i Simôna avy any Kirena hitondra izany, ka taorian' izay dia nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy, nalevina, ary nitsangana tamin' ny maty. Ao amin' ny fitantarana tsirairay ao amin' ny Filazantsara, ireo zava-nitranga dimy teo amin' ny fiainan' i Jesoa ireo dia voalaza amin' ny antsipiriany lalina kokoa noho ny ampahany hafa rehetra amin' izany fitantaran' ny Filazantsara izany. Marihin' ny manam-pahaizana fa mahazo fitantarana saika isan' ora momba izay mitranga ny mpamaky.

Rehefa tonga tao Kalvary (antsoina koa hoe Gôlgôta) i Jesoa, dia notolorana vinaingitra miampy miora na zava-pisotro mangidy (izay mety ho ilay zava-pisotro antsoina amin' ny teny latina hoe posca). Samy mitatitra ny Filazantsaran' i Marka sy ny an' i Matio fa nolaviny izany. Avy eo dia nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy ka nahantona teo anelanelan' olona voaheloka roa. Araka ny fandikana sasany avy amin' ny teny grika tany am-boalohany dia mety ho jiolahy na Jiosy nikomy ireo olona voaheloka ireo. Araka ny Filazantsaran' i Marka dia niaritra ny fampijalian' ny fanomboana tamin' ny hazo fijaliana Izy nanomboka tamin' ny ora fahatelo (eo anelanelan' ny tamin' ny 9 ora maraina sy ny mitataovovonana eo ho eo) ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny ora fahasivy (izany hoe tamin' ny 3 ora tolakandro eo ho eo). Nametahan' ny miaramila soratra nilaza hoe "Jesoa avy any Nazareta, Mpanjakan' ny Jiosy" teo ambonin' ny lohany, izay voalazan' ny Evanjelin' i Joany fa nosoratana tamin' ny fiteny telo (hebreo sy latina ary grika), avy eo dia nizara ny akanjony izy ireo sady nanao antsapaka ny amin' ny akanjony ivelany izay tsy nisy zaitra. Araka ny Evanjelin' i Joany dia tsy nanapaka ny tongotr' i Jesoa ny miaramila rômana, toy ny nataony tamin' ny voaheloka roa izay niaraka nohomboana taminy (nanafaingana ny fahafatesanany fanapahana ny tongotra), satria efa maty sahady i Jesoa. Samy manana ny fitantarany manokana momba ny teny farany nataon' i Jesoa ny filazantsara tsirairay, ka teny fito no fitambarany.

Samy milaza ny filazantsara efatra fa taorian' ny nahafatesan' i Jesoa dia nangataka ny fatiny i Jôsefa avy any Arimatea ka nandevina izany tao amin' ny fasana iray voalavaka tamin' ny vatolampy. Ny Filazantsaran' i Matio irery ihany no milaza fa i Jôsefa no nanome ny fasany manokana ho amin' izany tanjona izany.

Ny filazantsara sinôptika dia mitantara an' i Simôna avy any Kirena nitondra ny hazo fijaliana, ny vahoaka naneso an' i Jesoa sy ny lehilahy roa hafa niara-nohomboana taminy, ny haizina nanomboka tamin' ny ora fahenina ka hatramin' ny ora fahasivy, ary ny fitrian' ny efitra lamban' ny tempoly avy eo ambony ka hatrany ambany. Ireo filazantsara ireo koa dia manonona vavolombelona maro, anisan' izany ny kapiteny iray sy ny vehivavy maromaro nijery avy lavitra, ka ny roa tamin' izy ireo dia nanatrika ny fandevenana.

Ny Filazantsaran' i Lioka irery no tsy mitantara ny antsipiriany momba ilay vinaingitra marikivy natolotra an' i Jesoa tamin' ny alalan' ny tahon-bararata, raha toa ka ny Filazantsaran' i Marka sy ny an' i Joany ihany no mitantara fa i Jôsefa no tena nampidina ny faty avy teo amin' ny hazo fijaliana.

Misy antsipiriany maromaro izay tsy voalaza afa-tsy ao amin' ny fitantarana iray ihany ao amin' ny filazantsara iray. Ohatra, ny Filazantsaran' i Matio irery no milaza momba ny horohoron-tany, ny nitsanganan' ny olomasina tamin' ny maty sy ny nandehanan' izy ireo tao an-tanàna, ary ny nanendrena miaramila rômana hiambina ny fasana; raha Filazantsaran' i Marka kosa no hany milaza ny fotoana nanomboana an' i Jesoa tamin' ny hazo fijaliana (tamin' ny ora fahatelo, izany hoe tamin' ny 9 ora maraina, na dia mety ho tamin' ny mitataovovonana aza izany) sy ny tatitry ny kapiteny rômana momba ny nahafatesan' i Jesoa. Anisan' ny zavatra miavaka nampidirin' ny Filazantsaran' i Lioka tao amin' ny fitantarana ny tenin' i Jesoa tamin' ny vehivavy nalahelo sy nitomany, ny fananaran' ny jiolahy iray ilay namany, ny fihetsiky ny vahoaka izay niverina sady "niteha-tratra", ary ny vehivavy nanomana zava-manitra sy menaka manitra alohan' ny hitsaharan' izy ireo noho ny Sabata. Ny Evanjelin' i Joany ihany koa no hany mitantara ny fangatahana mba hotapahina ny tongotr' ireo voahombo sy ny nandefonan' ny miaramila ny takibak' i Jesoa taorian' izay (ho fanatanterahana ny faminaniana ao amin' ny Testamenta Taloha), ary koa ny nanampian' i Nikôdemôsy an' i Jôsefa tamin' ny fandevenana.

Araka ny Epistily Voalohany ho an' ny Kôrintiana, toko faha-15, dia nitsangana tamin' ny maty i Jesoa ("tamin' ny andro fahatelo", raha isaina ho andro voalohany ny andro nanomboana azy tamin' ny hazo fijaliana) ary, araka ny filazantsara kanônika, dia niseho tamin' ny mpianany tamin' ny fotoana samihafa i Jesoa talohan' ny hiakarany any an-danitra. Milaza ny fitantarana ao amin' ny Asan' ny Apôstôly fa niaraka tamin' ny apôstôly nandritra ny 40 andro i Jesoa, raha toa kosa ka tsy manavaka mazava tsara ny zava-nitranga tamin' ny Alahadin' ny Paska sy ny fiakaran' i Jesoa any an-danitra ny fitantarana ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka. Mifanaraka ny ankamaroan' ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa ilay nanoratra ny Filazantsaran' i Lioka ihany koa no nanoratra ny Asan' ny Apôstôly ho tohiny, ka tokony hoheverina ho zavatra iray mitambatra ireo asa soratra roa ireo.

Fandevenana an' i Kristy (sary nataon' i Caravaggio, taona 1602-1603)

Araka ny Filazantsaran' i Marka dia nohomboana niaraka tamin' ny mpikomy roa i Jesoa, ary maizina na rakotra haizina ny masoandro nandritra ny adiny telo. Niantso an' Andriamanitra i Jesoa, avy eo dia niantso mafy ka maty. Triatra roa ny efitra lamban' ny Tempoly. Manaraka ny fitantarana ao amin' ny Filazantsaran' i Marka ny Filazantsaran' i Matio, saingy manampy ny momba ny horohorontany sy ny fitsanganan' ny olomasina tamin' ny maty. Manaraka ny fitantarana ao amin' ny Filazantsaran' i Marka koa ny Filazantsaran' i Lioka, na dia mamaritra ny mpikomy ho mpanao heloka bevava tsotra aza izy; ny iray amin' izy ireo dia niaro an' i Jesoa, ary i Jesoa kosa dia mampanantena fa hiaraka ao amin' ny Paradisa izy sy ilay mpanao heloka bevava. Asehon' ny Filazantsaran' i Lioka ho tony sy tsy miova fihetsika i Jesoa eo am-pijaliany teo amin' ny hazo fijaliana. Ahitana singa maro mitovy amin' ny an' ny Filazantsaran' i Marka koa ny ao amin' ny fitantarana araka ny Evanjelin' i Joany, saingy hafa ny fomba nanolorana azy ireo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]