Blasfemia

Ny blasfemia na fitenenan-dratsy, dia lahateny maniratsira an' Andriamanitra, na ny fivavahana na izay heverina ho mendrika na masina. Tany am-boalohany dia midika hoe "miteny ratsy olona, manevateva, manendrikendrika"; nihavoafetra kokoa ny hevitr' io teny io ka tsy misy ifandraisany amin' ny zavatra hafa afa-tsy ny fanevatevana ampiharina amin' ny resaka fivavahana.
Miankina amin' ny fotoana sy ny faritra eto amin' izao tontolo izao, ny fitenenan-dratsy amin' ny heviny ara-pivavahana dia mety ho leferina na faizina. Tamin' ny taona 2020 dia miovaova be ny toe-draharaha any amin' ny firenena iray mankany amin' ny firenena hafa. Noho izany, ny firenena sasany dia tsy mbola nanasazy ny fitenenan-dratsy (ohatra: Etazonia, Sina, Japana) na nanafoana ny lalàny momba ny teny manevateva an' Andriamanitra (ohatra: Frantsa, Kanada, firenena skandinaviana). Ny hafa kosa mbola mampihatra ny lalàna manasazy ny mpiteny ratsy, manomboka amin' ny onitra tsotra (ohatra: Italia, Aotrisy, Brezila) ka hatramin' ny fanamelohana ho faty (ohatra: Afganistana, Broney, Maoritania, Nizerià, Iràna, Pakistana, Sômalia, Arabia Saodita), anisan' izany ny sazy an-tranomaizina isan-karazany (ohatra: Alemaina, Rosia, India, Ejipta).

Heverina ho anisan' ny fahalalahana maneho hevitra ny fitenenan-dratsy an' Andriamanitra na ny olona na zavatra inoan' ny olona fa masina, sady omena alalana, any Frantsa sy any amin' ny firenena hafa.