Aller au contenu

Patripasianisma

Avy amin'i Wikipedia
Kristy voahombo, sary nataon' i Diego Velázquez tokony tamin' ny taona 1632

Ny patripasianisma dia fampianarana teôlôjika ilazana fa Andriamanitra Ray mihitsy no tonga nofo tao amin' i Jesoa Kristy izay nijaly teo amin' ny hazo fijaliana mba hamonjy ny olombelona. Nohelohin' ny fiangonana ôfisialy izay manohana ny Trinite ho fampianarana finoan-diso na heresia izany. Ny patripasianisma ara-tantara (araka ny ilazana azy ao amin' ny Fiangonana Tandrefana) dia endriky ny sabelianisma izay notoherina tao amin' ny Fiangonana Tatsinanana (izay atao hoe môdalisma na mônarkianisma môdalista).

Ny môdalisma dia finoana fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia fomba telo samy hafa isehoan' Andriamanitra tokana, amin' ny fomba fijerin' ny mpino azy, fa tsy persôna telo miavaka ao amin' Andriamanitra - fa tsy misy fahasamihafana tena izy na lehibe eo amin' izy telo, ka ny Fanahy sy ny Zanaka dia ny Ray ihany. Tany amin' ny Fiangonana Tandrefana, ny endrik' ity finoana ity dia nomen' ny mpitsikera azy ny anarana hoe patripasianisma, avy amin' ny teny latina hoe patri ("ray") sy passio ("fijaliana"), satria nilaza izy ireo fa io fampianarana io dia midika fa, satria Andriamanitra Ray izay tonga nofo mivantana tao amin' i Kristy, nanao sorona ny tenany ara-bakiteny teo amin' ny hazo fijaliana ny Ray.

Maro ny endrika nisehoan' ny patripasianisma: tao amin' i Nôetôsy, izay milaza fa ny Ray ihany no Zanaka; tao amin' i Kleômenesy, izay milaza fa ny Ray sy ny Zanaka dia fomba roan' Andriamanitra iray ihany; ary ao amin' i Prakseasy, izay milaza fa i Kristy dia nijaly ary ny Ray dia niara-nijaly taminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]