Fanahy Masina

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Fanahy Masina, araka ny finoana jiosy sy kristiana, dia ny fanahin’Andriamanitra, izay hery anatanterahany ny zavatra kasainy hatao hatramin’ny Famoronana izao tontolo izao ka hatramin’izao. Hita ombieniombieny ny firesahana ny Fanàhy Masina ao amin’ny Baiboly.

Ao amin’ireo Fiangonana be mpanaraka sy mitazona ny tenim-pinoana (dogma) mahazatra (katolika sy ortodoksa ary ny ankamaroan’ny protestanta) dia tsy hery fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa persona fahatelon’Andriamanitra, manampy ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Trinite. Ny taranja teolojika andinihana sy ampianarana ny amin’ny Fanahy Masina dia ny Pneomatolojia.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]