Fanahy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanahy, araka ny karazam-pinoana sy fivavahana maro, dia zavatra manan-tsitrapo sy manana fahatsiarovan-tena nefa tsy azo tsapain-tanana, izay mety ho hitan' ny maso indraindray, ka heverina fa manana hery tsy araka ny mahazatra, sady mety hampianjady ny hery sy ny fahefany amin' ny tontolo tsapa. Fanahy, ohatra, ny fanahin' ny olona maty, ny demony, ny andriamanitra, ny matoatoa, ny anjely, sns. Maro ny taranja sy sehatra andinihana sy iresahana ny fanahy, ka isan' izany ny fivavahana, ny teôlôjia, ny finoana, ny angano, ny fedrà, ny fomban-drazana, ary ny fanaovana mazia.

Karazana fanahy[hanova | hanova ny fango]

Ny fanahin' ny olombelona na fanahin' ny vatana[hanova | hanova ny fango]

Ny fanahin' ny vatana dia fanahy fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina sy mahatonga azy hanana saina.

Ny matoatoa na angatra[hanova | hanova ny fango]

Ny angatra dia ny fanahin' ny olona maty izay miala aminy ka mandehandeha sy miseho amin' ny velona.

Ny andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

Ny andriamanitra dia fanahy inoana fa manana hery mihoatra ny an' ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan' ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana.

Ny anjely[hanova | hanova ny fango]

Ny anjely dia fanahy any an-danitra, izay irahin' Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin' ny tany sady ho mpampita ny hafatra momba ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny olona.

Ny demony[hanova | hanova ny fango]

Ny demony dia fanahy manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan' ny olombelona entiny hanao ny ratsy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]