Fanahin' ny vatana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanahin' ny vatana izay atao amin' ny teny mahazatra hoe fanahy ihany koa dia fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina (olombelona, biby, zavamaniry sns, arakaraka ny fampianarana sy ny finoana) sy mahatonga azy hanana saina. Maro dia maro ny fanehoana ara-tandindona na am-panoharana ny fanahy, maro toraka izany koa ny zavatra inoana momba azy. Ahitana izany rehetra izany ny ankabeazan' ny sivilizasiôna araka ny hita amin' ny fiheverana ara-pivavahana, ara-pilôzôfia, ara-psikôlôjia, na araka ny fahalalana sy ny anganom-bahoaka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]