Fanahy (kolontsaina malagasy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanahy, araka ny kolontsaina malagasy, dia zavatra ao amin' ny olombelona izay entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy, mampiavaka ny olona amin' ny biby. Ny hoe manahy dia midika hoe "manana eritreritra be momba ny zavatra iray sy tsy mety mitony saina noho izany".

Ohabolana momba ny fanahy[hanova | hanova ny fango]

  • Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty foana.
  • Aleo ny andriana lozabe toy izay andriana malemy fanahy.
  • Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.
  • Ao ny be fanahy maty foana; ao ny kely fanahy sitrak’ olona; ao ny tsy tiana, fa manana; ao ny hala, fa malahelo.
  • Ary vatana fa tsy ary fanahy.
  • Aza mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka.
  • Aza misatry fanahy am-pandosirana, fa ny tena ihany no ho trany.
  • Boka nandray tanana: ny fanahy misy ihany, fa ny tanan-kandray no tsy misy.
  • Ny fanahy no maha olona.
  • Fanompoan' ankotralahy, ka ny marary manao izay ho vitany, ary ny tsara fanahy mamono masoandro.
  • Fotsifotsy fanahy toa takatra ka ny tain-kary avy no anaovan-trano
  • Fo tsy voalefitra, mitondra nenina, fanahy tsy voatsindry, mitondra loza.
  • Ny malemy fanahy tratra am-parany.
  • Manao fanahin-tsokina: raha mahazo zavatra dia mivonkina.
  • Mitoto vary diavolana, ka maka fanahy ny akoho.
  • Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
  • Ny mpanjaka lozabe, mahatahotra; malemy fanahy, mahamenatra.
  • Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana.
  • Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
  • Sadikan’ ny fanahy ny tena: ny manao azy ihany no hodidininy.
  • Sobika rindra notampenan-kerana: ny azy fanahy iniany.
  • Valala voatango, ka very fanahy mbola velona.
  • Voalavo mandositra andro: mahin' ny fanahy ratsy natao halina.
  • Voalavo mihazakazaka alina: tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy atao andro lava no mahamaody.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]