Fihavanana
Fiseho
Ny fihavanana dia endriky ny fifandraisana eo amin' ny fiarahamonina araka ny kolontsaina malagasy izay mivoy ny fifanampiana sy ny fifandeferana ary ny firaisankina anjakan' ny filaminana. Amin' ny heviny mifintina ny teny hoe fihavanana dia manondro ny fifandraisan' ny olona iray fianakaviana.
Ohabolana momba ny fihavanana
[hanova | hanova ny fango]- Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
- Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny maito azo tohizana, ny madilana, arahim-panondro.
- Aza manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana.
- Ny fandroana no isan-taona fa ny fihavanana kosa isan' andro.
- Aza manao havana raha misy patsa, ka raha lany ny patsa dia havan-tetezina.
- Raha revom-potaka ny rano no manala, raha revon-teny ny vava no manala, fa raha revon'alahelo ny havana no itarainana.
- Ny fitia mifamaly no maha tsara fihavanana.