Kabary
Ny kabary dia lahateny atao amin' ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin' ny hainteny sy ohabolana sady atrehin' olona maro. Samy nanana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra ka izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin' izao fotoana izao ny atao hoe kabary, fa saingy io no fototra ka miainga avy amin' io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny.[1]
Ny ilana ny kabary
[hanova | hanova ny fango]Maromaro ny antony ilana ny kabary, ka ohatra amin' izany ireto:
- entina hanamarinana na hanazavana zavatra iray manan-danja;
- entin'ny mpiteny maneho ny fahaizany miteny sy mitana ny sain'ny mpihaino, amin'ny alalan'ny teny tsara rindra sy ohabolana voafantina;
- nentin'ny mpanjaka nampita hafatra tamin'ny vahoaka.
Ny toetra tokony hananan' ny mpikabary
[hanova | hanova ny fango]Ny mpikabary dia tokony hanana ireto toetra manaraka ireto:
Ny karazana kabary
[hanova | hanova ny fango]Maro karazana ny kabary satria maro tokoa ny hafatra hampitaina. Anisan' ireny ny fampitana arahaba ambara amin' ny teny tsotra hoe kabary fiarahabana, ny firarian-tsoa isan-tsokajiny, ny kabary am-panambadiana izay ahafahana mahafehy ny kabary rehetra ny fahaizana azy, ny kabary an-karatsiana: famangiana, fisaorana am-pandevenana (am-bohitra, am-piangonana, ambony fasana), ny kabary am-pamadihana.
Ohabolana momba ny kabary
[hanova | hanova ny fango]- Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka.
- Teny zato, kabary arivo, fa ny marina tokana ihany.
- Aza manao kabary ambony vavahady.
- Fisa-molotra sendra kabary, ka tojo ny sahaza azy.
- Kabarin-dRainisalama: ny lasa momba ny lasa, ny sisa manaraka ihany.
- Kabarin-tsaka: vao miteny dia omeo.
- Kamboty mihaino kabary: milaza tsy misy mpihaino, manontany tsy ilazan' ny olona.
- Manao kabarin' Ivonizongo: eo anatrehana tsy mahomby, eny anindran-tany vao miventy.
- Nataonao ho very angaha aho no nariana tamin-kabary?
- Ny zanak' omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampianarin-kabary.
- Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- https://fr.scribd.com/document/528893667/Programme-2nde