Hankany amin'ny vontoatiny

Hainteny

Avy amin'i Wikipedia

Ny hainteny na hain-teny dia sokajin-dahabolana malagasy izay hita indrindra ao amin' ny Merina, izay miendrika tononkalo fohy iresahana zava-madinika aloha, avy eo mankany amin' ny tena lohahevitra, ka amin' ny alalan' ny fampifandraisana amin' ny fomba kanto ny voanteny araka ny endriny na ny heviny no ahatongavana amin' izany. Ny lohahevitra dia matetika momba ny fitiavana. Azo heverina ho mitovitovy amin' ny pantun maley ny hainteny, ka azo atao ny manatsoa-kevitra fa fomba fanaovana lahabolana teo amin' ny Malaiô-Pôlineziana efa hatry ny ela izany ary tafiditra teto Madagasikara tamin' ny fifindrà-monin' ny vahoaka avy any Indônezia. Marihina fa samihafa ny hain-teny sy ny haiteny, ny haiteny mitambatra fanoratra,tsy misy litera " n" anelanelany dia ilay adika amin'ny teny frantsay hoe "linguistique".

Nampanao fanangonana hainteny an-tsoratra ny mpanjaka Ranavalona I tamin' ny taonjato faha-19. Ilay mpanoratra frantsay Jean Paulhan, izay nonina teto Madagasikara haramin' ny taona 1908 ka hatramin' ny taona 1910 dia nanao fandalinana momba ny hainteny ka namoaka bokin-kainteny nadika amin' ny teny frantsay tamin' ny taona 1913. Matetika ny hainteny dia ahitana ohabolana sy kabary mandravaka azy. Mety hahenoana angano na tantara na ankamantatra koa ny hainteny.

Famaritana

[hanova | hanova ny fango]

Ny hainteny dia lahateny hifaninanan'ny tovolahy sy tovovavy mba hanehoana ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana teny, fahaiza-maneho hevitra feno kanto.

Ny hain-teny dia teny an'ohatra voaravaka ohabolana, mampiseho fahaizana sy fa hakingana, nampiasain'ny Ntaolo tamin'ny fananarana na nifamalian'ny tanora nanao resa-pitiavana hoy RAJEMISA-RAOLISON ao amin'ny Rakibolana Malagasy, takila 400.[1]

Hoy i Siméon Rajaona:"Hazo tokana an-tany ny hainteny, tokan-tany aniriana ary tokan-tarehy dia ilay tarehin'ankamantatra voaravaka, voahaingo sy voakaly nentina hatramin'ny voalohany ka mbola ananany hatramin'izao; nefa kosa tsy tokam-boa fa mavesatra voa maro samihafa hatramin'ireo vokatra mirakitra hanim-pitiavana sy hanim-pihavanana ka hatramin'ireo voa mifono ny hevitry ny Ntaolo momba ny fahafatesana, ny fiainana, ny fafineraserana sy ny fepetra maha olombelona."

ohatrana hain-teny

[hanova | hanova ny fango]

-Tiako ianao. [2]

-Tianao tahaka ny inona ?

-Tiako tahaka ny vola ianao.

- Izany tsy tianao aho, fa raha noana ianao, atakalonao hanina aho.[3]

-Tiako tahaka ny varavarana ianao.

- Izany tsy tianao aho, na tiana ihany fa atositosika.[4]

-Tiako tahaka ny lambamena ianao.

- Izany tsy tianao aho, fa efa maty vao mihaona.

-Tiako tahaka ny voatavo ianao : lena ianao, haniko; maina ianao, ataoko zinga; vaky ianao, ataoko toham-baliha hotendreko maraina koa. (Firaketana, H, takila 77)[5]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ Rakibolana Malagasy, boky nosoratan'i Régis RAJEMISA-RAOLISON
  2. ↑ Boky Takelaka Notsongaina voalohany, takila 154
  3. ↑ Boky Takelaka Notsongaina voalohany
  4. ↑ TAO AMIN'NY Boky Takelaka Notsongaina voalohany
  5. ↑ Boky Takelaka Notsongaina voalohany