Velirano
Ny velirano dia fianianana atao ampahibemaso mba tsy hampisy ny hitsoaka amin'ny zavatra nifanarahana na amin'ny baiko nekena fa hotanterahina. Tamin'ny vanim-potoana faha mpanjaka dia maha tapa-doha ny fivadiham-belirano.
Ny fomba fanao amin'ny velirano
[hanova | hanova ny fango]Velirano tsy hivadihana amin'ny mpanjaka tao Imerina
[hanova | hanova ny fango]Alaina ny tsindridritra sy ny tain'aomby very reny sy ny hazo mihena sy ambiaty sokoka, ka ny ambiaty ihany no atao hazo mihena dia atao maromaro, ny laingon’ambiaty hotanan' ny lohandohany amin' ny olona hivelirano, dia alaina koa ny valala miolan-katoka, sy ny lambamboka sy ny mondron-kifafa, sy ny fako am-bavahady, sy ny akofam-bary, Ary reha vory izany zavatra izany, dia entina atao amin' ny rano ritra raha lohataona, amin' ny tany fivelezan-drano, dia miangona ny olona rehetra hivelirano, ka ny lohandohany rehetra amin' ny olona hivelirano mitana ilay laingon’ambiaty atao hoe hazo mihena, ary ny maro dia mifampitan-tsoroka, dia miteny ny irak’andriana manao hoe,
"Indreo ianareo mby eto andranomalahelo, fa homeko ny velirano. fa izany no nentina namory sy manangona, ary nentina nampandry ny tany, sy ny fanjakana handrian' ny vady, handrian' ny zanaka hoy ny Manjaka, ho entina manompo sy manamasina ahy, Ka izao ianareo izao, fa ato ny rano ritra, ato ny tsindridritra, ato ny tain'aomby very reny, ato ny ambiaty sokoka, ato ny sokoka ato ny valala miolan-katoka, sy ny lambam-boka sy ny mondron-kifafa sy ny fako am-bavahady sy ny akofam-bary, ka tsy atao tsy mahefa ny tamin'ny andriamanjaka tao aloha, tsy atao tsy mahavita izay, fa mahefa izay sy mahahavita fa atao fanampiny, entina manamafy izay. Koa izao ianareo izao, ka hanana andrian-droa, hanana andrian-telo dia tononina ny anaran’andriana, fa tsy Ranona no ho tompoina, sy ho hasinina, sy handrianina, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoana, dia resen'ity velirano masina ity ianareo."
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Indrindra izao hianareo izao, ka hisaraka andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoa. Raha hanao izany ianareo dia reseny ity velirano masina ity."
"Eny"; hoy ny olona rehetra.
"Indrindra izao ianareo, ka tsy ny tera-dRasoherina, sy Ralesoka no handrianina, sy ho tompoina sy ho hasinina mandrakizay mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoa, Raha hanao izany ianareo, dia resen'ity velirano masina ity ianareo."
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao, sangy manan-tsakaiza tiana, manana olon-tiana, ka hanao am-pifankatiavana, hanao am-pihavanana, indrindra ka ho azon-tambim-bola, aman-karena, na homen’olona vola be aza, na ho tambazan’olona fananana be aza, na hataony am-patsifatsy aza, na hataony am-balamena aza, na homeny antsa aza, na homeny antsiva aza, na hataony tsy mandeha ra aza, na dia hataony andriana aza, fa tsy Ranona no hotompoina, dia tonony ny anaran’andriana, ka tsy izy no handrianina, sy hohasinina, fa hanao andrian-kafa ianareo, mandrakizay, mandrakizay, Raha hanao izany hianareo dia resen' ity velirano masîna ity ianareo."
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao koa, ka avy ny tsy mety atao amin'ny Manjaka, sy ny tsy mety atao amin'ny fanjakany, ka sangy tezeran’andriana, na holanim-bady aza, na holanin-janaka aza, na ho lanim-pananana aza, na dia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka hanao lolompo amin’andriana, ka hanao levenan'ovy, hanao voa mivonto hanao fary mitetireny, hanao kabary ambony vavadahy, fa tsy izay hahamasina ny andriamanjaka no hatao, tsy izay hanompoana azy no hatao, fa hitady izay tsy hahamasina azy sanatrian'ny vava ka hitady izay tsy hanjakany, Raha hanao izany ianareo, dia resen' ity velirano masina ity hianareo,"
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao, ka sangy kabarin’andriana, sangy sazen’andriana, na dia holanim-bady aza, na dia holanin-janaka aza, na holanim-pananana aza, na dia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka handao ny andriamanjaka, indrindra ka handao an’Ambohimanga sy Antananarivo, handositry ny andriamanjaka, ka hitana manda mafy hitana tsingy mafy, hitana harambato mafy, hanantena zoma be hanantena ala be, hanantena lakato mafy, ka hanangana andrian-kafa, hanohitra an’Ambohimanga, sy Antananarivo ka hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady amin' ny Merin’Andriana, ka hanohitra ny Ambaniandro, Raha hanao izany ianareo, dia resen' ity velirano masina ity ianareo.
Eny, hoy nv olona rehetra.
Izao ianareo izao, ka hitady hamono qndriana, ka hanao lefom-pohy, hanao lefon-dava, hoentina mamono andriana indrindra ka hitifitra an-tsaha hitifitra an-tanana, hitifitra an-drano, hitifitra alatrano, hitady izay hahafohy fiainana andriana sanatrian' ny vava indrindra ka hamosavy andriana hanao ody mahery, hanao ody ratsy, ho entina mekendry andriana, Raha hanao izany hianareo dia resen' ity velirano masina ity ianareo."
"Eny" hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao koa, ka sangy lehibe sangy mahafehy olona, sangy eken’olon-teny; sangy mahinam-bahoaka, sangy be am-pirenena, ka handrendri-bahoaka, hanodim-bahoaka, hanome fo ny adala, hamoky ny hendry, hanimba tany hanimba fanjakana, handrava ny fanjakan’andriana, fa tsy izay hahamasina ny adriamanjaka no hatao, fa hanangana andrian-kafa, fa tsy Ranona no ho tompoina (dia tononina ny anaran’Andriana), tsy izy no ho hasinina mandrakizay, mandrakizay doria, Raha hanao izany ianareo, dia resen' ity velirano masina ity."
"Eny" hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao koa, sangy lehibe, sangy matoky andriana azony am-po, ka irahiny hanao fanjakana any an-tany lavitra, ka mahita tany tsara, mahita fonenana tsara, mahita vohitra mafy, mahita olona maro hanompo; ka dia hitoetra, hitady ho andriamanjaka handao ny andriamanjaka tompoina, hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady amin' ny Merin’Andriana, hanohitry ny Ambaniandro. Raha hanao izany ianareo dia resen' ity velirano masina ity hianareo."
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Indrindra izao ianareo izao, ka hitady teny tsy voisa ka hitady teny tsy voatonona, ka hanao hoe izany tsy voisa teo ka hanao hoe izany tsy voatonona teo, kanefa fantatra fa fanota fady ny manjaka, fantatra fa fanota fady ny fanjakana, fantatra fa tsy mety atao amin' ny Manjaka, fantatra fa amin'Ambohimanga sy Antananarivo, fantatra fa haharatsy ny tany sy ny fanjakana, fantatra fa haharatsy ny Manjaka Raha hanao izany hanareo dia resen' ity velirano masina ity ianareo."
"Eny", hoy ny olona rehetra.
"Izao ianareo izao koa, ka hanao manga miolaka, hanao ampanolaka, hanao teny miolaka, hanao hoe, Izahay efa nilefona omby, izahay efa mively rano, izahay efa misotro vokaka ianareo manao, kanefa fantatra fa haharatsy tany, sy fanjakana, fantatra fa hevi-dratsy amin' ny jakan’andriana hisaraha andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, indrindra ka hikomy, indrindra ka hangala-belirano hivelirano takona, hivelirano mangina, indrindra ka hanao izay tsy hahamasina ny andriamanjaka, ka hanaratsy tany, hanaratsy fanjakana, hanimba tany, hanimba fanjakana, indrindra ka hanangana andrian-kafa, indrindra ka hikobaka ny fanjakan’andriana hampangorohoro ny fanjakana ka hampitsangam-bolo an' Imerina, Raha hanao izany ianareo, na ny manatrikia na ny tsy manatrikia, dia resen' ity velirano masina ity ianareo."
"Eny" hoy ny olona rehetra.
"Ary izao ianareo rehetra izao, na ny manatrika na ny tsy manatrika, na ny zaza any ambohoka aza ka izay mamadika izao teny voaisa izao, ka manova izao teny voatonona, ka ody mahery no hantenaina, ho entina manova izao teny voaisa izao, ody sahato no hantenaina, ody aniana no hantenaina, fanala lefona omby, fanala velirano, fanala vokaka, no hoentina manova sy mamadikia izao teny izao, ka raha hamadika izao teny izao ianareo iantsoan-kasina hanatrika, sy hanoloana ity velirano masina ity. E Andriamanitra E Andriananahary, E ny hasin' ny tany, ny hasin' ny lanitra, E ny hasin' ny masoandro sy ny volana, E ny hasin' ny roa ambin' ny folo Manjaka, ka ny hasin'ny tendrombohitra roa ambin' ny folo ny hasin' ny any Ampandrana, ka ny any Alasora, ny any Merimanjaka, ny hasin'ny any Ambohidrabiby, ka ny hasin' ny ao Antananarivo, ny hasin-dRadama Manjaka, ny hasin'ny any Ambohimanga, fa ao Andriantsimitoviaminandriana, Andriambelomasina, Andrianampoinimerina, namory an' i Merina ny hasin-dRabodonandrianampoinimerina ny hasin' ny any Ambohidratrimo, ny any Ilafy, ny any Namehana, ny hasin’ i Kelimalaza, Ifantaka, Imanjakatsiroa, ny hasin' izao zavatra masina ambony tany ambany lanitra izao, Izay mamadika izao teny izao, Fofosa rita, aza manam-para handimby.
Dia velezina ny ambiaty ny rano, dia poahana basy iray vava asiana bala eo amin' ny rano velezina ka atao hoe, "izay mamadika izay teny izay, matesam-basy tokana."
Vita ny velirano[1]
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Document historique de Madagascar de Vatolahy de Renibedia
