I Klemento avy any Rôma na Klemento I dia isan' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) atao hoe Ray Apôstôlika izy. Mpanao asa soratra mizaka ny zom-pirenen' ny Empira Rômana teraka tamin' ny taona 40 tao Rôma izy ary maty tamin' ny taona 99 tao Rôma ihany. Atao hoe Clemens Romanus izy amin'ny teny latina. Araka ny filazan' i Ireneo avy any Logdanoma dia eveka fahatelo tao Rôma i Klemento sady nifankalala amin' i Piera (na Petera) sy Paoly. Ray Apôstôlika voalohany sady papa izy, nanoratra epistily iray izay nalefan' ny Fiangonan' i Rôma tamin' ny taonjato voalohany ho an' ny Fiangonana any Kôrinto. Fantatra noho io taratasy io sy noho ny vavolombelona maro ny momba azy.
Araka an' i Ireneo sy i Tertoliano ary i Eosebiôsy avy any Kaisarea fa i Klemento dia iray amin' ireo eveka voalohan' i Rôma, dimbin' i Pieta. Ankehitriny dia ataon' ny Katôlika rômana ho papa fahefatra izy (Papa Klemento I).
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.