Empira Romana
Ny Empira Romana (amin'ny teny latina : Imperium romanum) dia ny empira lehibe indrindra tamin'ny Taona Taloha. Ny renivohiny dia Roma ary mifototra amin'ny tany manodidin'ny Ranomasina Mediteranea ilay empira. Nitoetra nanomboka tamin'ny 27 TJK hatramin'ny fanonganana ny emperora farany tamin'ny taona 476 ny Empira Romana.
Ny Empira no sokajy fahatelon'ny Roma Taloha. Taona fahampanjaka ny voalohany, faharepoblika ny faharoa ary fahaempira ny sokajy fahatelo.
Ny teny ofisialin'ny Empira romana dia teny latina. Na dia izany aza, nitazona ny fiteny grika taloha ho fiteny ofisialy miaraka amin'ny fiteny latina ny faritra atsinanan'ny empira.
Naharitra dimanjato taona ny faritra andrefan'ny Empira Romana. Ny faritra atsinanaa izay ahitana an'i Grisy, Torkia dia mbola naharitra arivo taona mihoatra. Taorian'ny fitotonganan'ny empira romana tandrefana dia laza Empira Bizantina no anaran'ilay empira romana tatsinanana, ary Konstantinopla no renivohiny.