Safiotra
Ny safiotra dia olona maro firazanana, manana ray aman-dreny manam-piaviana ara-jeôgrafia, ara-kolontsaina, na ara-toe-batana samy hafa. Ho an' ny mpahay siansa anefa dia vokatry ny fifangaroam-pototarazo ny olombelona rehetra. Mety ho roa na maro ny foko na firazanana niavian' ny olona lazaina fa safiotra. Safoitra no mahaforona ampahany betsaka amin' ny mponina any amin' ny faritra maro maneran-tany. Any Amerika Avaratra, ny fandinihana dia nahita fa mitombo hatrany ny isan' ny mponina safotra. Any amin' ny firenena maro any Amerika Latina dia ny Mestizô (mestizo) no maro anisa amin' ny mponina ary any amin' ny sasany hafa koa dia ny Molatô (mulatto). Any Karaiba, olona maro firazanana no mandrafitra ny ankamaroan' ny mponina any amin' ny Repoblika Dôminikana (73 %) sy any Aruba (68%) ary any Kiobà (51 %).