Aller au contenu

Aruba

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Aruba

I Aruba dia nosy neerlandey any amin' ny Ranomasina Karaiba, any amin' ny ranomasina ampitan' ny morontsirak' i Venezoela, ampahany amin' ny Antilia Kely. Ity nosy ity dia manangana fanjakana mizaka tena ao amin' ny Fanjakan' i Nederlandy amin' ny zony manokana, dia ny Tanin' i Aruba (Land Aruba amin' ny teny neerlandey, Pais Aruba amin' ny teny papiamentô), hatramin' ny nisarahany tamin' ny Antilia Neerlandey (neerlandey: Nederlandse Antillen) tamin' ny taona 1986.

I Aruba ao amin' ny faritra misy azy

Tamin' ny taona 2010 dia nisy mponina 115 120 ny tao Aruba, ka ny 29 998 tamin' ireo dia nipetraka tao Oranjestad, renivohitr' ilay nosy.