Hankany amin'ny vontoatiny

Mandrare

Avy amin'i Wikipedia
Faritr' i Madagasikara misy ny ony Mandrare

I Mandrare dia onin' Madagasikara ao amin' ny faritra Anosy, ao amin' ny faritanin' i Toliara, mirefy 270 km, izay mivarina any amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao akaikin' Amboasary Atsimo. Mirefy 12 435 km2 ny faritanin-dranony. Maina i Mandrare amin' ny volana sasany ao amin' ny taona. I Manambovo sy i Mananara ary Ikonda no renirano manompo azy.

Ny lalana omban' i Mandrare

[hanova | hanova ny fango]
Sarintany maneho ony sy renirano maro, anisan' izany i Mandrare

Any amin' ny tangoron-tendrombohitra Beampingaratra, akaikin' ny tendrombohitra Trafonaomby, amin’ ny haavo 1 800 m, ny loharanony. Mikoriana mianavaratra izy mandritra ny kilômetatra vitsivitsy voalohany, ao anaty lohasaha tery sy lalina. Ifandimbiasan' ny riandrano kely sy lehibe maro ny lalany. Rehefa afaka roapolo kilometatra eo ho eo dia miolaka miankandrefana i Mandrare, sady miala amin' ny faritra avo. Manohy ny diany miankavia i Mandrare ary tsy ela dia mihaona amin' ny sakeliny lehibe voalohany, i Manambolo, avy any ankavia. Rehefa afaka 10 ka hatramin’ ny 20 km indray dia mivily miankavia ary manohy mianatsimo ilay ony. Mikoriana avy any ankavanana izao ny sakelidranony lehibe kokoa: i Andratina sy i Tsikoliky ary Ikonda. Aorian' ny fiodinana miankavia indray dia mahazo ranon' i Mananara avy any ankavia izy eo amin' ny 50 km farany. Mivarina any amin' ny Ranomasimbe Indianina sahabo 15 km ao atsimon' Amboasary Atsimo i Mandrare amin' ny farany.

Fotodrafitrasa

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1957, teo akaikin' Amboasary Atsimo dia nisy tetezam-by mirefy 414 m, izay namboarin' ny Etablissements Eiffel. Nosoloana tetezam-bato ity tetezana ity taty aoriana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]