Hankany amin'ny vontoatiny

Mangoro

Avy amin'i Wikipedia
Faritanin-dranon' i Mangoro
Sarintany maneho ny faritra ahitana an' i Mangoro
Mangoro

I Mangoro dia onin' i Madagasikara, izay mivarina miantsinanana ao amin' ny Ranomasimbe Indiana eo anelanelan' i Salehy ao avaratra sy i Ambodiharina ao atsimo, sady manana halavana 300 km. Ao avaratra atsinanan' Anjozorobe, Faritra Analamanga no anombohany, manana haambo 1 100 m any ho any. Manompo azy ny renirano Onive (ao akaikin' i Sandranadra, 200 km miala ny loharano) sy Nosivolo. Mivaria ao amin' ny Ranomasimbe Indiana izy ao amin' ny tanànan' Ambodiharina. Noho ny fisian' ny renirano maro manompo azy dia tsy mety mihena ambany ny ranon' i Mangoro. Ireto avy ny toerana manakaiky ny fandalovany ao Betamotanoː Ambodiramiavona, Andovolalina, Ampasimadinika, Sakalava, Maromitety II, Sandranandra, Antrandrokomby, Sahampasina, Ambatomaro, Ampasimaneva, Manakana, Antseranambe, Ambohibakoka, Ankarefo, Ambohitraivo, Antanifotsy ary Ambodifano. Eo amin' ny fivarinany any an-dranomasina izy dia iampitan'ny lalam-prenena faha-11.

Tetezana mandalo eo ambonin' i Mangoro
I Mangoro any an-dranomasina.

Tamin' ny taona 2012, ny Sherritt International Corporation dia nikasa ny hampiasa ny renirano Mangoro ho loharanon-drano ho an' ny fantsombe mpitatitra fotaka mitondra akora tsy voadio ho any amin' ny toeram-pitrandrahan' ilay tetikasa Ambatovy, ka niteraka fanahiana momba ny tontolo iainana izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]