Nosivolo

I Nosivolo dia reniranon' i Madagasikara , izay hita ao atsinanana. Renirano lehibe mamatsy an' i Mangoro izy. Ao atsinanan' i Fandriana no ipoirany. Eo amin' ny fihaonany amin' ny renirano Sandranamby (izay mamatsy azy) no misy ny tanànan' i Marolambo izay renivohitry ny distrikan' i Marolambo ao amin' ny faritra Atsinanana. Isan' ireo renirano mamatsy an' i Nosivolo koa i Sahadinta sy i Manandriana ary i Sahanao.
Tantarany
[hanova | hanova ny fango]Ny Faritra Arovana Reniranon'i Nosivolo dia hita ao amin'ny distrikan'i Marolambo sy Mahanoro, faritra Atsinanana. Tafiditra ao anatin'ny toerana mando na Site Ramsar manan-danja iraisam-pirenena izy, ary ahitana renirano sy zana-drenirano maro, ala manamorona renirano ary tontolo voajanahary isan-karazany. Mirefy 9 656,92 ha ny velarany.
- Nahazo sata ofisialy ho Paysage Harmonieux Protégé (PHP) tamin'ny taona 2015 i Nosivolo. Tantanin'ny fikambanana ifotony miisa 94 miparitaka amin'ny tanàna manamorona ny renirano izy. Ahitana karazan-trondro anaty rano mamy 19, ka ny 4 amin'ireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Ankoatra ny fiarovana ny trondro dia arovana ihany koa ny ala manamorona renirano, ny zavamaniry sy biby ary ny kolontsaina nentin-drazana eo an-toerana[1].
Ny jeografia sy ny fizotrany
[hanova | hanova ny fango]Ny loharanony: Avy any amin'ny faritry ny tany avo (atsinanan'i Fandriana) izy io, amin'ny toerana misy ala matevina.
Ny lalany: Mamakivaky tendrombohitra sy lohasaha maro izy, ary mandalo akaiky an'i Marolambo. Sarotra aleha ny faritra misy azy satria mbola faritra mitoka-monina, saingy izany indrindra no miaro ny tontolo iainany.
Ny fivarinany: Mitambatra amin'ny ony Mangoro izy avy eo, izay ony lehibe indrindra mivarina any amin'ny Ranomasimbe Indiana.
Ireo harena voajanahary ao aminy
[hanova | hanova ny fango]Ny ony Nosivolo dia iray amin'ireo harem-pirenena lehibe indrindra eto Madagasikara noho ny fahasamihafan'ny zavamaniry sy ny biby miaina ao aminy. Ity ony ity dia ao amin'ny faritry ny distrikan'i Marolambo sy Mahanoro, ary manana halava mirefy 130 kilometatra eo ho eo.
Ireo harem-be miafina sy mampiavaka ny ony Nosivolo:
- Trondro zanatany miisa 19: Karazan-trondro maro izay tsy hita na aiza na aiza manerana izao tontolo izao raha tsy ao amin'ity ony ity ihany.
- Oxylapia polli: Karazan-trondro miavaka sy tandindomin-doza mafy ireo miaina tavela ao.
- Ny Songatagna sy ny Marakely: Anisan'ireo trondro malaza sy arovana mafy ao Marolambo mba tsy ho lany taranaka.
- Ny Sokatra: Ahitana ny sokatra manana loha lehibe (erectochelys madagascariensis), izay sokatra an-dranomamy tandindomin-doza.
- Misy karazana gidro "lémuriens" miisa 10 sy karazan-javamaniry zanatany sarobidy miisa 10 ihany koa mivangongo amin'ny ala manodidina.
- Karazam-borona 6 miavaka: Toerana fiveloman'ny vorona tsy hita raha tsy eto Madagasikara, toy ny râle de Madagascar sy ny bécassine malgache.[2]
Volamena sy harena an-kibon'ny tany
[hanova | hanova ny fango]Ankoatra ny zava-manana aina, ny rano ao amin'ny ony Nosivolo dia ahitana fianakavian'ny mpitady volamena maro miasa eny amin'ny moron-drano. Loharanom-bola lehibe ho an'ny mponina any an-toerana ny fitrandrahana izany.
Ny ala sy ny tontolo iainana manodidina
[hanova | hanova ny fango]Manodidina ny ony dia misy tontolo iainana tsara rindra izay miaro ny rano:Ala galeria "Forêts galeries": Ireo ala maniry manaraka ny moron'ny ony izay miaro ny tany tsy hikaofiky ny rano sy miantoka ny fahamandoana dia avy amin'ny ala "corridor" Fandriana-Marolambo avy amin'ity ala ity dia:
- Mamokatra entona iainana.
- Mitahiry ny biby sy ny zava-maniry isan-karazany.
- Miady amin'ny fiovan'ny toetr'andro[3].
Toerana tany mando manan-danja iraisam-pirenena (Ramsar)
[hanova | hanova ny fango]Voasokajy ho anisan'ireo faritra mando Ramsar manan-danja eran-tany ny ony Nosivolo sy ireo sakeliny. Miaro ny rano madio izy ary miantoka ny fifandanjan'ny tontolo iainana. Ny velaran'ity faritra tany mando ity dia mahatratra 3 600 kilometatra toradroa[4].
Fitantanana ifotony
[hanova | hanova ny fango]Ny fiainan'ny mponina sy ny fomba fiarovana Mifamatotra akaiky amin'ny fiainan'ny mponina ao Marolambo sy ny manodidina ny ony: Ny mponina eny ifotony antsoina hoe VOI na Vondron'Olona Ifotony no miara-miasa amin'ny fikambanana mpiaro tontolo iainana (toy ny Durrell Wildlife Conservation Trust') mba hanara-maso ny ony.[5]
Ny fady sy ny fomba amam-panao
[hanova | hanova ny fango]Maro ireo fomba sy fady napetraky ny Ntaolo sy ireo zokiolona teny an-toerana, toy ireo toerana izay fady anjonona tsondro sy fady anaovana maloto. Ka izany dia isany manampy ny asa fiarovana.
Ny fambolena
[hanova | hanova ny fango]Io rano avy amin'ny Nosivolo io dia miparitaka ary isany manondraka ireo tanimbary ary isany manome fivelomanana ireo mponina izany satria tsy ny tanimbary ihany no voatondraka fa ireo voly hafa koa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://www.jacaranda.fr/en/societe-environnement-la-riviere-nosivolo-declaree-site-ramsar
- ↑ https://www.jacaranda.fr/en/societe-environnement-la-riviere-nosivolo-declaree-site-ramsar
- ↑ https://cemes-madagascar-26.webselfsite.net/aire-protegee-nosivolo
- ↑ https://www.wwf.mg/?2080966/Les-21-sites-Ramsar-de-Madagascar
- ↑ https://www.wwf.mg/?2080966/Les-21-sites-Ramsar-de-Madagascar