Menarandra

Avy amin'i Wikipedia
Ny ony Menarandra

I Menarandra dia renirano ao amin'ny faritra Anosy sy Atsimo-Andrefana ao amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Mivarina any amin'ny Ranomasimbe Indiana ao akaikin'i Bevoalavo Atsinanana any amin'ny faritra Anosy izy.

Mahatratra 250 km eo ho eo ny halavan'i Menarandra, ary avy ao Andoharano any amin'ny faritra Bara ao amin'ny tendrombohitra Tsikoriky izay mahatratra 600 m no ipoirany. Mikoriana amin'ny tany be vato (sy be ranovohitra amin'ny fotoan'ny orana) izy hatrany ivelan'i Bekily. Eo anelanelnan'i Bekily sy Isoanala no anangonany ny rano ao aminy. Mizotra avy avaratra-atsinana mankany atsimo-andrefana izy. Teritery ny lalana izorany sady mikoriana somary mafy izy amin’ny voalohany fa rehefa avy eo Lovokarivo izy dia mihamalalaka amin’izay. Mamakivaky tendrombohitra be sokay izy rehefa ao amin'ny faritr'i Elesa ary mamakivaky dongom-pasika alohan'ny hivarinany any an-dranomasina. Tsy betsaka ny rantsana lehibe mamatsy rano an'i Menerandra: ny ao amin'ny ilany ankavia dia ahitana an'i Manantanana ao akaikin'i Bekily; i Manamboly ao akaikin'i Tranoroa; ny ao amin'ny ilany ankavanana dia ahitana an'i Sakatovo sy i Beandry. Tsy dia mivelatra loatra ny vavaranon'i Menarandra (izay mirefy 8 350 km2 any ho any) raha ampitahaina amin’ny an’ny ony hafa. Tsy misy renirano mivarina ao avy amin’ireo tendrombohitra any atsinanana ka izany no mahatonga an'i Menarandra ho vitsy rano, afa-tsy amin'ny fotoan'ny oram-be izay miteraka rian-drano mampidi-doza. Amin'ny main-tany dia lasa korian-drano kely ambony vato i Menerandra ary milevina any anaty fasika izany rano izany matetika. Eo anelanelan'i Lovokarivo sy ny Ranomasina Indiana dia matetika maina tsy misy rano no fahitana an'i Menarandra nefa matetika koa no misy rano mikoriana betsaka ihany ny ao ambanin'ny fasika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]