Bemarivo (renirano)

Avy amin'i Wikipedia
I Bemarivo ao akaikin'i Nosiarina

I Bemarivo dia onin' i Madagasikara, any avaratra, ao amin' ny faritra Sava, ao amin' ny faritanin' Antsiranana, izay mivarina mankany atsinanana ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao avaratr' i Sambava. Manondraka ny faritra amin' ny morontsiraka avaratra andrefana. Mivarina ao aminy ny ampahan-drano avy eny amin' ny ilany atsiananan' ny tangorom-bohitra Tsaratanana sy ny tapany avaratry ny tangorom-bohitra Marojejy. Mifanapaka amin' ny lalam-pirenena faha-5 izy ao akaikin' i Nosiarina. Izy no mamaritra ny faritanin' ny Betsimisaraka ao avaratra. Misy renirano atao hoe Bemarivo koa mivarina ao amin' ny ony Sofia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]