Mania

Avy amin'i Wikipedia
Carte Mania

I Mania dia reniranon' i Madagasikara mitodika mankany andrefana, manompo an' i Tsiribihina, izay manana halava 280 km, mipoitra avy avy ao afovoan-tany ao amin'ny ala avaratra atsinanan' ny kaomin' i Miarinavaratra. Ny tapany voalohany dia atao hoe Fisakana, izay manondraka ny faritra Betsileo avaratra, avy eo izy mihaona amin' i Mahajilo ka mamorona an' i Tsiribihina. Avy amin' ny anarany ny anaran' ny faritra Amoron'i Mania ao amin' ny faritanin' i Fianarantsoa. Ireto ny renirano manompo azy: Ivato, Imorona, Ikoly, Menala, Sakeny, Fitanamaria, Sakorendrika, Manandona, Isakely ary Iandratsay.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]