Mahajilo-Kitsamby

Avy amin'i Wikipedia

I Mahajilo dia reniranon' i Madagasikara izay mitambatra amin' ny renirano Mania ka mamorona ny onin'i Tsiribihina (ony mivarina any amin' ny Lakandranon' i Mozambika avaratr' i Morondava). Manompo azy ny renirano Sakay (izay mipoitra ao amin'ny tapany avaratr' Ambatomanjaka any Miarinarivo, izay manefitra an'i Tsiroanomandidy amin'i Miarinarivo sy amin' i Soavinandriana) sy ny renirano Kitsamby (izay mipoitra ao amin'ny tapany andrefana amin'i Tsiafajavona sady manefitra ny faritr' Itasy sy ny faritra Vakinankaratra). Manompo azy koa ny renirano Mandalo sy Kirano sy Bevava ary Ambatonkazo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]