Mananara Atsimo (renirano)

Avy amin'i Wikipedia

I Mananara dia onin' i Madagasikara ao amin' ny distrikan' i Farafangana, faritra Atsimo-Atsinanana, ao amin' ny faritanin' i Fianarantsoa, izay mivarina mankany antsinanana ao amin' ny Ranomasimbe Indiana ao Ampasinakoho, akainy an' i Vangaindrano. Ny renirano Menarahaka (180 km) avy any Andringitra sy Itomampy (150 km) avy any amin' ny tendrombohitra Imaha (tangoron-tendrombohitra Beampingaratra) ary Ionaivo (190 km) avy any Ivakoany no mamorona an' i Mananara. Ny renirano Ionaivo dia mipoitra ao amin' ny tendrombohitra Tsimahamory (1 500 m). Ny renirano Itomampy mipoitra tsy lavitra an' Ionaivo, 40 km miala ny ranomasina, any amin' ny haambo 1 600 m any ho any sady mikoriana mianavaratra hatramin' ny fihaonany amin' Ionaivo. I Menarahaka kosa mipoitra avy eny amin' ny tangorom-bohitra Andringitra, any amin' ny 2 000 m any ho any, mitambatra amin' ny renirano Sahambano izy alohan' ny hikambanany amin' ny renirano Ionaivo. Mirefy 140 km ny ony Mananara raha tsy akambana aminy ireo renirano mivarina ao aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]