Tsiribihina

Avy amin'i Wikipedia
Ny ony Tsiribihina
Ny ony lehibe eto Madagasikara

I Tsiribihina dia onin' i Madagasikara mivarina any amin' ny Lakandranon' i Môzambika ao amin' ny vinaniny 50 km ao avaratr' i Morondava. Amin' ny faritra sasany dia mahatratra 1 km ny sakany. Azo itondrana lakana izy hatrany amin' ny vozon' i Bemaraha. Betsaka voay ity ony ity, ka izany no niavian' io anarany io, izay midika hoe "tsy irobohana". Ao no ampandroana, isaky ny folo taona, ny sisan-javatra navelan' ireo mpanjaka sakalava taloha mandritra ny fitampoha. Mamakivaky an' i Bongolava sy an' i Bemaraha izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]