Mahavavy Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
Mahavavy - Ambilobe

I Mahavavy na Mahavavy Avaratra dia onin' i Madagasikara any avaratra, ao amin' ny faritra Diana, ao amin' ny faritanin' Antsiranana, izay mivarina mankany andrefana ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Ao Maromokotro, tendron' ny tangorom-bohitra Tsaratanana no misy ny loharanony. Ambilobe no tanàna lehibe andalovan' i Mahavavy. Mamakivaky tany lemaka lonaka izy ka anodrahana tany mirefy 5 500 ha izay ampiasaina indrindra amin' ny fambolena landihazo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]