Maharivo

Avy amin'i Wikipedia
Maharivo
I Maharvo sy ny loharanony av ao Makay

I Maharivo dia renirano ao amin' ny Faritra Menabe ao amin' ny tapany andrefan' i Madagasikara. Avy ao amin' ny Tangoron-tendrombohitra Makay izy ary mikoriana miankandrefana mankany amin' ny Lakandranon' i Môzambika (Ranomasimbe Indiana). Manodidina ny 165 km ny halavany avy eo amin' ny loharanony mankany an-dranomasina, ary manondraka sahan-drano mirefy 4 700 km2.

Ny toetrany any amin' ny faritra misy azy dia somary maina, ary matetika ny faritra ambony amin' ilay renirano dia maina mandritra ny ampahany amin' ny taona. Misy ala honko ny ao amin' ny vinanihefak' ity renirano ity. Ny ampahany ambany amin' ilay renirano sy ny vinanihefany dia ao amin' ny Valan-javaboary Kirindy Mitea.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]