Linta
Apparence
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f6/Rijeka-Linta.png/220px-Rijeka-Linta.png)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/66/Rivers_of_southern_Madagascar_OSM.png/314px-Rivers_of_southern_Madagascar_OSM.png)
I Linta na Ilinta dia onin' i Madagasikara ao amin' ny faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny faritanin' i Toliara, izay mivarina ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao amin' ny helodranon' i Langarano, ao atsinanana akaikin' Androka. I Manakaralahy sy i Manakaravavy no renirano manompo azy. Mifanapaka amin' ny lalam-pirenena faha-10 izy rehefa ao akaikin' i Ejeda.