Aller au contenu

Compagnie française des Indes orientales

Avy amin'i Wikipedia
Armoarian' ny Compagnie française pour le commerce des Indes orientales

Ny Compagnie française pour le commerce des Indes orientales dia kômpanian' ny mpanjana-tany frantsay noforonin' i Jean-Baptiste Colbert tamin' ny 27 Aogositra 1664, ary ny tanjony dia ny "hivezivezy ambony ranomasina sy hanao fifampiraharahana avy any amin' ny Cape of Good Hope (frantsay: cap de Bonne-Espérance) saika hatrany amin' ny firenena rehetra any amin' ireo India Atsinanana sy ny ranomasina atsinanana", miaraka amin' ny ampihimamba amin' ny varotra lavitra mandritra ny dimampolo taona, ary indrindra ny varotra andevo.

Ny famoronana azy dia mikendry ny hanome an' i Frantsa fitaovana amin' ny varotra iraisam-pirenena miaraka amin' i Azia ary hifaninana amin' ny kômpaniam-barotra eorôpeana matanjaka naorina tamin' ny taonjato faha-17, toy ny East India Company anglisy sy indrindra ny Vereenigde Oostindische Compagnie an' ny Neerlandey. Tanjona amin' izany ny tsy fiankinan-doha amin' i Angletera sy amin' i Nederlandy intsony mba hahazoana mividy ny vokatra indiana izay hamidy amin' ny vidiny lafo avy amin' ny kômpaniany ka hisakanana ny metaly sarobidy tsy hivoaka ny sisintany.

Na izany aza dia nitarika ho amin' ny fianjeran' ilay kômpania, taorian' ny taonjato iray monja nisiany, ny ny ady nifanaovana tamin' ny Neerlandey, ny krizin' ny fitsapatsapana tombom-barotra tamin' ny taona 1716-1721, avy eo ny fifandonana tamin' ny Britanika tany India.