James Cook

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny Kapteny James Cook sy ny soniany James Cook Signature.svg

I James Cook, teraka tamin'ny 27 Oktobra 1728 any Marton, maty tamin'ny 14 Febroary 1779 tany Hawaii, dia mpitondra sambo, mpizaha-tany, ary mpanao saritany britanika.

Tamin'izy lasa kapteny tao amin'ny Royal Navy, nandende tao amin'ny ranomasimbe Pasifika izy ary vokatr' izany, izy ny eoropeana voalohany tondra teo amin'ny amorontsiraka atsinanan' Aostralia. Izy koa tonga tany Nouvelle-Calédonie, tany amin'ny Nosy Sandwich ary tany Hawaii. Izy ihany koa ny olona voalohany indrindra nanao saritany momban'ny Terre-Neuve sy ny New-Zealande.

Dia[hanova | hanova ny fango]

Dia voalohany, tamin'ny 1768-1771[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 1768, ny Royal Society dia naniraka i James Cook hihazana ny ranomasimbe Pasifika atsimo amin'ny alàlan'ny sambo HMB Endravour, ny tanjony tamin'io dia mijery ny transit misy amin'ny fajiry Venus amin'ny 3 Jiona 1769 ary mijery raha misy kontinenta Atsimo eto an-tany, fa io kontinenta io dia tsy hitan'i James Cook. Tsy nino ny fisiany mihitsy izy ary tao anatin'ny diariny, manadiady ny fizahany sy fizahana nialoha azy.

Ny dia voalohany

Ny Endeavour[hanova | hanova ny fango]

Ny sambo entiny, ny Endeavour dia sambo telo salaza mitovy amin'ny sambo efa nentin'i Cook, sambo mateza sy tsara amin'ny lafin'ny fitehirizana sy ny tsara amin'ny "tirant d'eau" ananany tombon-tsoa ilaina mba hanakaiky ny amorontsiraky ny nosy be harandriaka ao amin'ny Pasifika. Tamin'izy nandalo ny Cap Horn, tonga tany Tahitiizy tamin'ny 13 Aprily 1769, nasainy namboarina tany Tahiti ny rova andinihany ny transit an'ny Venus.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.