Ila-bolantany

Avy amin'i Wikipedia
Ny fizaran' ny Fehibe sy ny Laharan-jarahasina voalohany ny Tany

Amin' ny jeôgrafia, ny ila-bolantany na ilabolantany dia ny antsasaky ny Tany. Araka ny mahazatra dia azo zaraina ho faritra roa ny bolantany, ka ny ampahany tsirairay dia miorina eo amin’ ny teboka iray antsoina hoe tendron-tany ary misaraka amin’ ny ilany iray amin’ ny alalan' ny faribolana lehibe. Azo atao koa

Karazana ila-bolantany[hanova | hanova ny fango]

Ila-bolantany avaratra sy ila-bolantany atsimo[hanova | hanova ny fango]

Ny bolantany dia mizara ho ila-bolantany roa avaratra sy atsimo. Ny voalohany dia miorina eo amin' ny Tendrontany Avaratra, ny faharoa eo amin' ny Tendrontany Atsimo, ary ny manasaraka ny roa tonta dia ny ekoatera na fehibe.

Ny ila-bolantany avaratra dia mandrakotra ny 68 % amin' ny velaran' ny tany maina ary fonenan' ny 90 % amin' ny mponina eran-tany. Anisan’ io ila-bolantany io i Amerika Avaratra, i Eorôpa, i Azia, ary ny ampahany be amin’ i Afrika.

Tsy ahitana afa-tsy 32 % amin' ny velaran-tany maina eto amin' ny Tany ny ila-bolantany atsimo ary fonenan' ny 10 % eo ho eo amin' ny mponina eran-tany. Anisan’ izany i Amerika Atsimo, i Aostralia, i Antarktika, ary ampahany atsimo amin' i Afrika.

Ila-bolantany andrefana sy ila-bolantany atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Toy izany koa, ny Tany dia azo zaraina ho ila-bolantany andrefana sy ila-bolantany atsinanana amin' ny alalan' ny fiheverana ny faritra andrefana sy atsinanan' ny laharan-jarahasin' i Greenwich. Tsy mitovy amin' ny fizaràna miorina amin' ny tendron' ny teza ihodinan' ny Tany sy ny ekoatera ity fizarana hafa ity, izay atao amin' ny tsipika matao an' i Greenwich ho laharan-jarahasina fenitra. Raha ny teôria dia mitovy isa ny ila-bolantany atsinanana sy ny ila-bolantany andrefana ary ny meridiana.

Ny ila-bolantany atsinanana ahitana ny ampahany be amin' Afrika, i Eorôpa, i Azia ary i Aostralia, ary koa ny Ranomasimbe Indiana sy ny tapany andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika.

Ny ila-bolantany andrefana dia ahitana an' i Amerika Avaratra sy Amerika Atsimo, ny tapany atsinanana amin' ny Ranomasimbe Pasifika, ny Ranomasina Karaiba, ary ny ampahany be amin' ny Ranomasimbe Atlantika.

Ila-bolantany "antoandro" sy ny ila-bolantany "alina"[hanova | hanova ny fango]

Ila-bolantany "antoandro" sy ny ila-bolantany "alina"

Azo atao koa ny miresaka ny amin' ny ila-bolantany "antoandro" sy ny ila-bolantany "alina" rehefa, ohatra, tiana ny hanavaka ny ampahany amin' ny Tany ao anaty hazavan' ny andro, amin' ny ampahany ao anaty haizina. Amin' ity tranga ity, ny fetra manasaraka ny ila-bolantany roa dia ny tsipiky ny mpamarana ary miova arakaraka ny fihodinan' ny Tany amin' ny tenany.