Fisaraham-pahefana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fisaraham-pahefana eo amin' ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ary ny mpitsara dia fitsipika fototry ny demôkrasia misy rafitra misolo tena ny vahoaka. Mifanohitra amin' izany ny fampivangongoam-pahefana ataon' ny fitondrana tsy refesi-mandidy sy jadona an-daniny, sy ny fampifangaroam-pahefana ataon' ny firondrana anjakan' ny filoham-pirenena sy ny fitondrana parlemantera. Ireo fahefana ireo dia iharan' ny fiheverana sy asan' ny hery manohitra (fikambanana, sendikàn' ny matihanina, vondron' olona mpiaro tombontsoa manokana, mpanao gazety, hevi-bahoaka, sns.).

Ny fahefana mpanao lalàna dia tompon' andraikitra amin' ny fandaniana ny lalàna amin' ny alalan' ny fanaovana latsabato sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Tompon' andraikitra amin' ny fitantanana ny pôlitikam-panjakana sy ny fiantohana ny fampiharana ny lalàna ny fahefana mpanatateraka. Ny fahefana mpitsara dia manara-maso ny fampiharana ny lalàna sy manasazy ny tsy fanarahan-dalàna, mitsara ny fifandirana sy ny tsy fitovian-kevitra amin' ny fampiharana ny lalàna.

Ny fahaleovantena sy ny fisarahan' ireo fahefana ireo dia sarotra tanterahina na dia eo aza ny fahatsaran-tsitrapo ananan' ny olona manana ireo fahefana ireo. Ao amin' ny lalàmpanorenana dia voafaritra ny hevi-dehibe fototra momba ny fisaraham-pahefana sy ny fizarana ny andraikitra ary ny iraka tokony hataon' ny fanjakana, amn' ny alalan' ny fanankina ny fampiharana ireo fahefana ireo amina rafitra na vondron' olom-boafidy samihafa, sady mamaritra ny fitsipiky ny fahaleovantenany sy ny fomba fiarovana azy ireo amin' ny tsindry.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]