Aller au contenu

Fanjakana federaly

Avy amin'i Wikipedia
Ny fanjakana federaly eto amin' izao tontolo izao

Ny fanjakana federaly na federasiôna dia fanjakana mazàna manana ny fiandrianany, fitambaran' ny fanjakana mizaka tena maromaro izay manana ny governemantany manokana avy. Iantohan' ny lalàm-panorenana ny satan' ireo fanjakana mizaka tena ireo amin' ny ankapobeny, ary tsy azo tohintohinina amin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra ataon' ny governemanta foibe federaly manokana. Antsoina hoe federalisma ny endriky ny governemanta federaly, na ny rafitra ao aminy, araka ny lalàm-panorenana. Vondrom-panjakana miombona sy manana fizakan-tena manokana, nefa samy manaiky fahefana ambony iraisana, ny fanjakana federaly.

Azo heverina ho mifanohitra amin' ny fanjakana tokana izy, na dia azon' ny sampan-draharaham-pitantanana maromaro tantanina miaraka, amin' ny governemantam-paritra misy azy manokana, io farany io amin' ny toe-javatra sasany.

Mety hahitana vondrom-poko maro ny federasiôna sady mety handrakotra fizaràm-tany midadasika (toa an' i Rosia, i Etazonia, i Kanada, i India, i Brezila na i Aostralia), na dia tsy voatery ho izany aza. Matetika ny federasiôna dia miorina amin' ny fifanarahana, mifototra amin' ny fisahiranana na tombontsoa iombonana, eo amin' ny samy fanjakana mahaleo tena. Tsy manan-jo hisara-bazana ny fanjakana mizaka tena, amin' ny ankapobeny.

Ny federasiôna dia miavaka amin' ny kônfederasiôna, izay fiombonan' ny firenena mahaleo tena, amin' ny alalan' ny fifanarahana iray na maromaro, izay manolotra ny fampiasana ny fahefana sasany ho an' ny rantsa-mangaika iraisana maromaro natao handrindra ny pôlitikan' izy ireo amin' ny sehatra maromaro, nefa tsy mahaforona fanjakana vaovao mifanindry amin' ny firenena mpikambana. Mihazona ny fiandrianany avy araka izany ny firenena ao amin' ny kônfederasiôna.

Indreto ny fanjakana federaly eto amin' izao tontolo izao: Alemaina, Arzantina, Aostralia, Aotrisy, Belzika, Bôsnia-Herzegôvina, Brezily, Emirata Arabo Mitambatra, Etazonia, Etiôpia, India, Iràka, Kanada, Kômôro, Malezia, Meksika, Mikrônezia, Nepaly, Nizeria, Pakistàna, Rosia, Santa-Kity-sy-Nevisy, Sômalia, Sodàna, Sodàna Atsimo, Soisa, ary Venezoela.