Antenimieran-doholona

Avy amin'i Wikipedia

Ny Antenimieran-doholona dia andrim-panjakana mpanao lalàna amin' ny rafitra ahitana Antenimiera roa, misy amin' ny firenena samihafa. Antsoina hoe loholona ny mpikambana ao aminy. Amin' izao fotoana izao dia matetika ny Antenimieran-doholona no "Antenimiera ambony" amin' ny rafitra misy Antenimiera roa.

Fadikana ny teny frantsay hoe senat, izay avy amin' ny teny latina hoe senatus izay midika hoe "filankevitry ny loholona" na "filankevitry ny anti-panahy" ny hoe Antenimieran-doholona. Ary ny teny hoe loholona no nandikana amin' ny teny malagasy ny teny frantsay hoe senateur.

Ny Antenimieran-doholona ankehitriny dia mazàna anaovana fandinihana ny lalàna efa nandalo tao amin' ny Antenimieram-pirenena na ny mitovy amin' ity. Ny ankabeazan' ny loholona dia manana adidy sy fahefana tsy mitovy amin' ny an' ny Antenimiera ambany, izay midika fa manana adidy manokana izy ireo, ohatra amin' izany ny fametrahana azy amin' ny andraikitra ara-pôlitika lehibe na fandaniana lalàna manokana.

Mety mitrabga koa ny mifanohitra amin' izany ka maro amin' ireo Antenimieran-doholona no manana fahefana voafetra amin' ny fanovana ny volavolan-dalàna na fisakanana izany tsy ho dinihana ary ny ezaka amin' ny fisakanana volavolan-dalàna dia azon' ny Antenimieram-pirenena na ny governemanta ihodinana mba tsy ho tanteraka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]