Hankany amin'ny vontoatiny

Antenimierandoholona (Madagasikara)

Avy amin'i Wikipedia
Lapan' ny Antenimierandoholona malagasy

Ny Antenimieradoholona dia andrim-panjakana misolo tena ny vahoaka sady mpanao lalàna ary manara-maso ny asan'ny Governemanta, manampy ny Antenimierampirena ao amin'ny Antenimieran' i Madagasikara. Ity Antenimierandoholona ity dia ahitana loholona miisa 18 izay miasa mandritra ny fito taona.

Andraikitra

[hanova | hanova ny fango]

Ny fandaminana sy ny fahefan'ny Antenimierandoholona malagasy dia nalaina tahaka avy amin'ny Antenimierandoholona frantsay. Miasa mandritra ny fito taona ny mpikambana ao aminy (amin'ity Repoblika fahefatra ity), izay atao hoe loholona.

Miisa 18 (raha 33 izany teo aloha) ny loholona ao amin' ny Antenimierandoholona malagasy, ka ny 12 amin' izy ireo (raha 22 izany teo aloha) no lany amin' ny fifidianana ataon' ny mpifidy vaventy, fa ny 6 (raha 11 izany teo aloha) dia tendren' ny filoham-pirenena.

Andraikitra iarahany amin'ny Antenimierampirenena sy ny Piraiminisitra ny fanaovan-dalàna. Ny Antenimierandoholona, miaraka amin'ny Antenimierampirenena, ihany koa no mankatò ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola ary mandatsa-bato miaraka amin' ny Antenimierampirenena izy amin' ny fanapahan-kevitra momba ny fidiran' ny firenena amin' ny ady.

Liste des présidents

[hanova | hanova ny fango]
Nom Mandat
Début Fin
Jules Ravony 1960 1963
Siméon Japhet 1963 1968
Honoré Rakotomanana 2001 2002
Guy Rajemison Rakotomaharo 2002 2008
Yvan Randriasandratriniony 2008 2010
Honoré Rakotomanana 2016 2017
Rivo Rakotovao 2017 2021
Herimanana Razafimahefa 2021 2023
Richard Ravalomanana[1] 2023 2025
Jean André Ndremanjary (intérim) 2025 en fonction

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. RFI, « Madagascar: après l'élection d'un nouveau président au Sénat, l'opposition réagit vivement » sur RFI, octobre 2023, RFI. Novangiana tamin'ny 17 octobre 2023.