Tolo-dalàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny tolo-dalàna dia rijanteny atolotry ny mpikambana ao amin' ny Antenimieram-pirenena (solombavambahoaka) na Antenimieran-doholona (loholona) na ny antoko pôlitika na ny vondron' antoko pôlitika ao amin' ireo andrim-panjakana io mba ho dinihin' ny Antenimiera sy hanaovany latsabato ho lasa lalàna na tsia. Tafiditra ao amin' ny maha fahefana mpanao lalàna ny Antenimiera izany. Tsy mitovy amin' ny volavolan-dalàna, izay avy amin' ny Governemanta, ny tolo-dalàna. Ny Governemanta dia mety hitsipaka ny tolo-dalàna izay mety hampihena ny loharanom-bolam-panjakana na hiteraka na hampitombo fandaniam-bolam-panjakana. Ny tolo-dalàna dia tsy laharam-pahamehana hanaovana fandinihana sy latsabato. Ny volavolan-dalana avy amin' ny Governemanta sy ny tolo-dalàna nekeny no manana ny laharam-pahamehana hatao ao anatin' ny laha-dinika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]